Politique

Raharaha 7 febroary Teti-dratsy voaomana


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Feno 8 taona katroka rahampitso talata ny raharaha 7 febroary nisian’ny fananihan-dapa ka nisian’ny ra mandriaka sy ny faty olona niseho teny Ambohitsorohitra.

 

Taorian’ilay “Alatsinainy Mainty” ny 26 janoary 2009, nisian’ny fandrobana sy ny doro trano sy magazay isan-karazany, izay voalaza fa efa voaomana, dia nitohy tamin’io fananihan-dapa io ny raharaha. Natao fitaovana sy nofitahina ary nentina natao sorona teny amin’ny “Faritra Mena” ny mpitokona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Miha lefy isan-taona ny fahatsiarovana iny “7 febroary” iny, ary na ny AV7, fikambanana ivondronan’ireo niharam-boina tamin’io andro io aza nipatitaka samy maka ho azy. Misy ny miaraka amin’ny HVM rehefa nampidirina ho mpiasam-panjakana ; ao ireo miaraka amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Tolona inona tokoa moa izany no natao tamin’ireny ? Na ireo mpiaradia tamin’ireny aza mifanao toy ny saka sy ny voalavo, mifanenjika. Atao hazalambo i kolonely Lylison, any am-ponja i Alain Ramaroson. Mbola mitatao amin’i Augustin Andriamananoro ny kanota noho ny sazy mihantona mihatra aminy. I Andry Rajoelina aza moa nahoraka fa saika hosamborina ny herinandro lasa iny… Mpandraharaha hatrany amin’ny 450 no may fananana ary tsy mbola tafarina mandrak’ankehitriny. Kila forehitra sy voaroba tao anatin’ny fotoana fohy ny fananan’ny filoha tamin’izany fotoana. Raha tsiahivina, efa niabo hatrany amin’ny 7% ny harinkarena tamin’izany, saingy rotika sy potika tao anatin’ny fotoana fohy ny ezaka rehetra vita, ary tsy tafarina mandrak’ankehitriny. Nahazo vahana ny kolikoly nanomboka ny 2009, ka raha ny tatitra farany navoakan’ny Transparency International, dia any amin’ny laharana faha-145 amin’ny 176 isika. Izay mihitsy ve ilay hoe : revolisionina sy tanjona tamin’ny tolona ?

Ny marina tsy maty

Nezahina nafenina hatrany ny marina mikasika iny raharaha iny, ka ny ankolafin’ny mpanongam-panjakana hatrany no nomena vahana. Nafatratra tany amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny rihitra. Nampiasaina avokoa na fitsarana na herim-pamoretana namotehana azy sy ireo mpiara-dia aminy, fa io izy io. Malagasy maro ankehitriny no mangetaheta ny hiverenany eo amin’ny fitondrana ny Malagasy ! Ny marina anefa tsy mba maty. Maro ireo nijoro vavalombelona, na ireo nihosona tamin’iny 7 febroary iny aza nivadi-dela. Anisan’ireo nafana fo niaraka tamin-dry Andry Rajoelina i Kolonely Charles Andrianasoavina, saingy navoakany ny tsiambaratelo. Fanenjehana sy fampidirana am-ponja no setriny, ary saika namoy ny ainy mihitsy aza. Nisy ihany koa ny boky nosorotan’ny Jeneraly Raoelina izay lehiben’ny mpitandro ny filaminana niaro ny lapa tamin’izany, mirakitra ny zava-nitranga tao amin’ny Lapa sy teny Ambohitsorohitra tamin’io 7 febroary 2009 io, fa niniana tsy nojerena. Ny vondrona iraisam-pirenena no hany nandray sy nandinika azy. Na ny antontan-taratasy mikasika ireo very sy may fananana tamin’ireny aza toa niniana tsy nojerena, ary toy ny dosie efa nivalona tsy nisy tohiny intsony ireo nametraka fitoriana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT