Politique

Raharaha “7 febroary” Hotsaraina Rajoelina


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Tsy matoky ny fitsarana Malagasy ny AV7 ka dia nitondra ny raharaha “7 febroary 2009” any amin’ny fitsarana Afrikanina tatsimo.

 Naka mpisolovava afrikanina tatsimo mihitsy ry zareo, handray an-tanana ny raharaha. Ity tokoa no tonga amin’ny fitenenana Malagasy hoe mitolo-tena toa lolofotsy. Raha izao fipetrany izao mantsy dia tonga amin’ny ilan’ny ankolafy Ravalomanana azy tanteraka ny raharaha “7 febroary” ankehitriny.  Hatram’izay rahateo no efa nitaky ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena iraisam-pirenena mikasika iny “raharaha 7 febroary” iny i Marc Ravalomanana, hivoahan’ny marina. Manokatra varavarana ho amin’izany ity ambara fa fitoriana ataon’ny AV7 ity. Mazava koa fa tsy maintsy ho lalàna afrikanina tatsimo no hampiharina manomboka eo. Firenena miteny anglisy io, marihina ihany. Manana ny paikadihelokany ry zareo.

Ary amin’ny raharaha toy itony dia tsy maintsy hohenoina avokoa izay rehetra mifaningotra amin’iny raharaha iny, eny fa hatramin’ny mpisambotra aza. Koa ny lojikan’izay dia hiakatra fitsarana ihany izany ry Andry Rajoelina sy ireo lohandohany nitarika olona teny Ambohitsorohitra tamin’iny sabotsy 07 febroary 2009 iny. Nisy koa, fanampin’izay, ilay ampamoaka an-tsoratra nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, ka nanononany anaran’olona maromaro nikononkonona iny raharaha iny teny Ambatobe teny ny 06 febroary 2009. Azo antoka fa dia hantsoina hohenoina avokoa ireny olona ireny, fa tsy hodingadinganina toy ny natao nandritra ny fitsarana teto.

Dia samy miandry izany ny rehetra amin’izay ho tohin’ity raharaha ity na dia somary nahagaga ihany aza moa hoe maninona no amin’izao ankatoky ny hanaovana ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izao no nofohazina indray io “raharaha 7 febroary 2009” io ? Sa mba te hanao tsindry amin-dRavalomanana ry Rajoelina fa olo-meloka itsy voalohany miatrika izany fihaonana izany ? Ny tsara ho fantatra anefa, dia tsy fanao eran’izao tontolo izao izany hoe olona iray tsaraina in-droa amina raharaha iray izany. Koa dia ho hita eo !

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT