Feno 9 taona katroka anio alarobia 07 febroary 2018 ny raharaha 07 febroary 2009, nisian’ny fananihan-dapa sy fitifirana teny Ambohitsorohitra tamin’izany fotoana.
Ny fanakatonana ny fahitalavitra Viva ny desambra 2008 no natao fitaovana. Nizotra tamin’ny fidinana an-dalambe, niitatra tamin’ny fandrobana sy fandorana isan-karazany ny 26 febroary 2009. Ny 07 febroary kosa no tena ivon’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena, ka nizotra nankany amin’ny famindram-pahefan’i Marc Ravalomanana tamin’ny tafika ny 17 martsa 2009. Zary lasa fitaovana politika izy io, ka roritina hatrany hamotehana an’i Marc Ravalomanana. Tsy afa-miala amin’ny raharaha fatiolona tamin’ireny ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina naniraka an’i Monja Rondefo sy ny tariny haka ny lapan’Ambohitsorohitra, ka nilazana tamin’izany fa “halaintsika ny lapantsika”. Raha tena mandeha ara-drariny sy araka ny lalàna velona ny fitsarana, anisan’ny olona tsy maintsy hotsaraina amin’iny raharaha iny izy na ho ela na ho haingana. Maro ny porofo manameloka azy ireo. Nanomboka ny 2009 no nitotongana sy potika tanteraka ny fiainan’ny Malagasy ary tsy tafarina mandrak’androany. Aty amin’ny 2018, dia ny olona namotika firenena indray no milaza fa hanarina. Mbola porofon’ny fampiesonana sy famitaham-bahoaka toy ny hoe: hidina 2500Ar ny litatry ny menaka, 500Ar ny kilaon’ny vary,… ary hatramin’ny vahoaka aza novonoina am-pitaka teny Ambohitsorohitra. Ny tena marina dia tao anatina drafitra matipaika fanapotehana firenena ny raharaha 7 febroary 2009, ary iainana hatramin’izao ny voka-dratsiny.
Fanonganana sy ra mandriaka efa tsara omana
Porofo iray maneho ny fanomanana ny fanonganam-panjakana sy ra mandriaka ny fandaharana antsoina «Reporters» nataon’i Virginie Herse sy i Cyril Vanier tao amin’ny fahitalavitra France 24 ny martsa 2009. Anisan’ny navoakany ny horonantsary mirakitra ny fivorian’ireo mpanao politika notarihin’i Andry Rajoelina. Mivoitra sy voaray ao anatin’io horonantsary io ny tenin’izy ireo hoe : tsy maintsy manao «accusation» na fanamelohana an’i Marc Ravalomanana. «Lazaina, ohatra hoe Ravalomanana ‘criminel’ (mpamono olona) na koa Ravalomanana ‘traître’ (mpamadika tanindrazana)», hoy ireo mpanao politika ireo. Tao anatin’izany ry Harinaivo Rasamoelina, Roland Ratsiraka, Augustin Andriamananoro, Haja Resampa, Georges Ruffin, Pierre Houlder, Alain Ramaroson, Cyrille Rasambozafy, Patrick Monibou, Ramakavelo Désiré Phillipe, Ny Hasina Andriamanjato, Lahiniriko Jean, Reboza Julien, Lieutenant-colonel Fidimalala, Lieutenant-colonel Sondrotalata,… Tsy azo tsinontsinoavina ny ampamoakan’ny kolonely Charles Andrianasoavina. Raha resaka tifitra sy diam-bala, dia azo hanaovana fanadihadiana tsara, saingy fitsarana kimaimaika no natao ka voasarona ny tena marina rehetra fa raha tena atao an-tsakany sy an-davany ny fanadihadiana ny fiditry ny bala tamin’ny vatan’ireo olona voatifitra teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina tamin’io 7 febroary 2009 io, hafa mihitsy ny zavatra hita.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.