Voizina mafy amin’izao fotoana izao ny raharaha 7 febroary 2009 nisian’ny fitifirana teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra nandritra ny fananihan-dapa notarihan’ny mpanongam-panjakana tamin’izany vahoaka teny an-toerana. Mbola baraingo hatramin’izao kosa ny tena marina ao ambadik’iny raharaha iny hoe: iza marina no fositra? Ny zavatra mahatalanjona voalohany indrindra dia ny hoe nahoana no tsy nisy na iray tamin’ireo nitarika ny fihetsiketsehana aza maty na naratra, kanefa izy ireo no lohalaharana?
Ny resaka teknika momba ny fihavian’ny bala nitifirana sy ny fomba nahafaty ireo olona ihany koa tetsy andaniny, dia maro ny zavatra nampiahiahy. Nialoha ireny rahateo dia efa nandeha ny fikononkonana hoe tsy maintsy hasiana rà mandriaka handotoana an’i Marc Ravalomanana sy hampahomby ny fanonganam-panjakana tian-katao. Mitohy mandrak’ankekitriny ny raharaha, ka vao ny faran’ny taona teo no nisian’ny raharaham-pitsarana indray, izay toa natao hamelezana sy hamotehana manokana an’i Marc Ravalomanana, izay isan’ny kandida filoha amin’ny taona 2018 fotsiny. Mba misy ve ny fanenjehana na fanadihadiana ara-pitsarana ireo nitarika ny fananihan-dapa sy fanonganam-panjakana? Maro ireo raharaha mifandraika tamin’ireny 2009 ireny ka nahoana ny 7 febroary irery no voizina sy atao fitaovana isak’izay mandeha? Mba nisy tohiny ve ny fandorana ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM? Afa-maina ve ny mpanongam-panjakana tamin’izany, izay nanome tso-drano ny vahoaka handeha handroba sy handoro fananam-panjakana sy fananan’olo-tsotra? Vitavita ho azy ve ny fandorana ny orinasa MBS, Tiko, Magro,… an’i Marc Ravalomanana potika sy rava tamin’ireny, ary izao izay mba hany efa misokatra ezahina potehina amin’ny resaka hafa indray hoe tsy nahaloa hetra? Efa voafaritry ny sori-dalana napetraka ho làlana teto amin’ny firenena ny fanonerana ireny fananana potika tamin’ny krizy ireny, saingy nisy nanaja ve? Ny orinasan’ireo mpandraharaha Malagasy isan-karazany hafa voaroba sy may moa dia toa niala maina toy ny takotra ny ankamaroany. Mby aiza ny tohin’ireny faty olona niampatrapatra may nandritra ny fandrobana sy fandorana tamin’ny 26 janoary 2009 ireny fa sanatria toa matimaty foana toy ny biby. Vitavita ho azy ireny rehetra ireny, fa ny raharaha 7 febroary ihany no atao mahoraka.Ao raha a !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.