Politique

Raharaha 7 febroary Adinon-dRajoelina tanteraka


  • Alarobia 08 Febroary 2017

Tsy nipoitra ary tsy fantatra izay misy an’i Andry Rajoelina, nandritra ny fanamarihana ny datin’ny 7 febroary, natokana hahatsiarovana ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fananihan-dapa teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 omaly.

            Raha tena mahatsapa tena ho nitondra fanovana sy fampandrosoana ny firenena i Andry Rajoelina, tompon’andraikitra voalohany tamin’ny raharaha 2009, dia izy no lohalaharana tamin’ny fanateram-boninkazo teny Ambohitsorohitra omaly 7 febroary, ary azony natao mihitsy ny nirehareha tamin’ny zavatra nataony. Tsy izay no niseho fa sady tsy hita izy no tsy re feo akory, izay azo adika ho fanaovana tsinontsinona sy fanadinoana tsotra izao ny datin'ny 7 febroary ary koa famitahana ireo olona notarihany niaka-dapa teny. Miezaka ny manadio tena ihany ireo mpanao politikan'ny vondrona Mapar fa toa tsy misy mpihaino intsony. Ny fikambanana AV7 aza moa tsy fantatra intsony na nizara firy na firy fa dia efa nosoavalian'ny mpanao politika. Menatra tamin’ny nataony ve i Andry Rajoelina, ka tsy sahy niseho masoandro sa tsy te hitakosona amin'ny mpanongam-panjakana notarihany 8 taona lasa izay fa efa manadio tena tsimoramora mba hiatrehana ny 2018 ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT