Politique

Raharaha “7 febroary 2009” Manazava i Marc Ravalomanana


  • Talata 07 Febroary 2012


 «7 febroary rahampitso (anio). Manana fitsipika mifehy azy ny lapam-panjakana. Tsy ny filoham-pirenena tamin’ny 7 febroary 2009 no nanome baiko hoe vonoy ny olona. Tsy mahavidy ain’olona iray aho rey olona. Tsy hanao izany na oviana na oviana aho eo anatrehan’Andriamanitra. Nisy tompon’andraikitra koa ny fanjakana dia teo ny praiminisitra, ny minisitry ny fiarovana, ny talen’ny fiarovana ny lapa». Anisan’ny nisongadina tamin’ny antso an-tariby nivantana nataon-dRavalomanana tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka omaly io. Nanantitrantitra ny tenany fa tsy izy no nanome baiko.

Tsy hanamari-tena aho, hoy izy saingy ireny dia fanendrikendrehana, fanaratsiana sy fandotoana ahy. niantso ireo fianakavian’ny niharam-boina koa ny tenany mba tsy hanaiky horebirebena satria Andriamanitra, hoy izy mahalala ny miafina rehetra. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa tsy mitombina ny filazana fa nataony tamin’ny anarany ilay fiaramanidina Air Force. Tsy nambarany moa na ilay voalohany na ilay faharoa. Tsy marina ihany koa ny resaka famarotana tany tamin’ny orinasa Daewoo. Ankoatra izay, momba ny tsy nahatafody ny vadiny, Rtoa Lalao Ravalomanana dia nilaza izy fa ireny rehetra ireny dia midika fa ao ny tahotra satria tsy misy ny fifampatokisana ary dia nametra-panontaniana avokoa ireo tomponandraiki-panjakana ambony, vahiny, ny amin’izay antony atahoran’ny FAT azy.

«Lalina sy loza ny tahotra manjo ireo», hoy ihany i Marc Ravalomanana. Nambarany fa mba te hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny krizy i Lalao Ravalomanana, te hanampy ireo vehivavy Malagasy ary te handray anjara amin’ny fampihavanana ny Malagasy sy te hamerina ny soatoavina. Manoloana ny krizy eto amin’ny firenena moa dia niantso ny rehetra, indrindra fa ireo mpanao politika ny filoha mba samy hieritreritra ary hametraka ho ambony ny tombontsoam-pirenena hamerenana ny hasin’ny firenena malagasy. Tokony tsy hatao izay hampitarazoka ny fahasahiranam-bahoaka, hoy ihany i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny ihany koa fa tsy hisy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany raha tsy tafaverina eto ny tenany ary dia tsy voasakan’iza na iza ny fiverenan’izy ireo aty Madagasikara. «Tsy maintsy tafaverina any Madagasikara izahay», hoy ihany izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT