Noho ny fahaverezana dosie tao amin’ny tribonaly Anosy, dia hahemotra ho amin’ny 11 desambra 2017 ny raharaham-pitsarana ny 7 febroary 2009.
Nolavin’ny lehiben’ny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsarana ambony kosa ny filazana fa nisy namaky ny sabotsy 11 novambra teo ny tribonaly Anosy. Nisy naka ny “volume des arrêts” na ny firaketana didy, izay mombana heloka bevava 2009, ary efa tamin’ny alakamisy 9 novambra no nisehoany. Dosien’olona notsaraina tao anatin’ny 3 volana 100 mahery no isany fa tsy ny an’i Marc Ravalomanana irery, izay tamin’ny taona 2010. Raha ny fanazavana, nisy nangataka ny dika mitovy amina raharaham-pitsarana. Nilaza ho mpisolovava mpianatr’asa io nangataka io, ka sendra nitsangana ny mpandray kaomandy, no lasa io mpisandoka io, ary nentiny nandositra ny boky. Nomarihiny fa nanana antontan-taratasy io mpisoloky io, saingy tsy fantatra na ara-dalàna na tsia. Tsy voatahiry tao anaty solosaina intsony kosa ny didy. Mpisolovava iray sy zanaka mpanao politika akaiky ny filoha teo aloha no nosamborina.
Olona 3 nogiazana kaonty
Lasa lasibatra amin’ity resaka fahaverezana dosie ity izahay, hoy kosa ny kaomisera Rakotovao Nambinintsoa, anisan’ny henjehina amin’ny raharaha 2009. Raha resaka Marc Ravalomanana dia izaho tsy mpanao politika, fa izahay olona tsotra nenjehina tamin’ny raharaha 7 febroary 2009 nefa “disqualifier”-na. Lazaina fa mpamono olona, ary lazaina daholo izay azo handotoana, fa rehefa nivoaka ny didy dia no-disqualifier-na izahay, ary tsy miray tsikombakomba akory amin’io. Dia gaga izahay ankehitriny hoe giazan’ny banky ny volanay. Tokony handeha anio ny fitsarana hanaovanay fanoherana an’io. Tsy nandeha anefa ilay izy fa hoe nisy dosie very. Dia gaga izahay hoe ahoana izany ny fiainanay ? Ny volanay ao amin’ny banky, ka na ny hohaninay aza tsy misy, ka izay no tena olanay ankehitriny.
Misy zavatra hafahafa
Ilay dosie nolazaina fa very dia tao hatramin’ny 2010. Ny fitsarana anay androany nefa tamin’ny zoma ilay dosie no nolazaina fa very. Ary ilay resaka fanagiazana ny kaontin’ny banky dia 19 lahy izahay no voarohirohy tamin’ny resaka 7 febroary, kanefa 3 izahay no giazana ny kaonty, hoy kosa i Etienne Ralitera lehiben’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), dia izaho, i Marc Ravalomanana, ary ny kaomisera Rakotovao Nambinintsoa. Nolazaina fa tamin’ny sabotsy 11 novambra no vaky ny tribonaly ary efa nisy olona efa voasambotra, kanefa tany amin’ny tokantranoko dia ny zoma dia efa nisy fisavana na “pérquisition” natao. Ahiahiana aho izany ho anisan’ny atidoha nikotrika namaky. Misy zanako vao tonga tany ampita ny zoma, ary io no nolazaina fa nanao izany, hoy izy. Misy tsy mazava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.