Politique

Raharaha 26 jona Afenina indray ve ny marina ?


  • Talata 26 Jolay 2016

Feno iray volana katroka anio ny fipoahana nahafatesana olona 3 sy naharatrana 84 hafa ny takarivan’ny 26 jona nandritra ny

« podium » namaranana ny fankalazana ny fetim-pirenena teny Mahamasina. Henitra ny fanambaran’ny mpitondra fa hoe misy ambadika politika iny fipoahana iny ary ahiana ho ao ambadik’izany ireo mpanohitra ny fitondrana.Hatreto anefa tsy fantatra izay tena marina

Niovaova ny vaovao nivoaka. Nolazaina fa grenady no nipoaka. Avy eo anefa Sinoa roa lahy mpikirakira dinamita fanapoaka amina fitrandrahana vato no nosamborina ary nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Niampy teratany Malagasy 8 ireo mifonja vonjimaika ankehitriny. Didy avy ao amin’ny fampanoavana io fa tsy mbola nisy ny fitsarana ny raharaha. Nisy ihany koa ny mpanakanto toa an-dry Francis Turbo, Jerry Marcoss ary Stéphanie efa nohadihadiana. Nisy olon-kafa ihany koa saingy raha ny fahafantarana azy dia tsy mbola feno ny dosie ary tsy mbola hita ny tena marina. Maro moa ny zava-nitranga taorian’iny 26 jona iny tahaka ny raharaha Soamahamanina sy ny hetsiky ny mpanao gazety, hany ka somary takona ilay raharaha ary ny mampanahy aza dia sao lahy ka iniana ampanginina mihitsy ilay raharaha ka ho lasa tahirin-kevitra fotsiny sisa ny dosie tahaka ireo « grands dossiers » hafa efa nisy teto toy ny raharaha kung fu (1985), ny 10 aogositra (1991), ny fahamaizan’ny Rovan’i Manjakamiadana (1995), ny 26 janoary sy 7 febroary (2009), ny trafikana boaderôzy. Mahagaga ihany koa ny antony tsy mbola hanaovana fanadihadiana momba ny mpitandro filaminana niasa tamin’iny harivan’ny 26 jona iny satria manana andraikitra tamin’ny zava-nitranga koa izy ireo. Ny resaka fampitam-baovao moa amin’izany dia maivana satria ambara foana fa tsy maintsy hajaina ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana dia izao manjavozavo izao ny zava-drehetra. Maro be ny singa na mifanipaka na mampiahiahy ary misy ny fanazavana tsy maharesy lahatra avy amin’ireo tompon’andraikitra. Sarotra tokoa ve ny fanadihadiana ? Ka nahoana ary ny alin’ny 26 jona no tonga dia nilaza ny filoha sy ny praiminisitra fa nisy ambadika politika iny asa fampihorohoroana iny ? Iza ary ilay olona mpanao politika tao ambadika e ? Mandeha ny feo fa hoe mety olona akaiky ny fitondrana ihany no atidoha. Raha diso dia tokony hoporofoina fa tsy mitombina izany feo miely izany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT