Politique

Raharaha “26 janoary” sy “7 febroary” Hanokafana fanadihadiana vaovao


  • Talata 17 Aprily 2012

Mbola miteraka adihevitra lehibe hatramin’izao ny zava-nitranga ny 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009.

 Hatreto tokoa dia tsy hita izay tena marina satria samy mandrirotra amin’izay itiavany azy ny rehetra. Ny tena manahirana koa dia tsy nisy mihitsy aloha hatreto ny fanadihadiana natao nahitana izay tena tompon’antoka tamin’ireny, indrindra fa ny 26 janoary 2009 izay nahafatesana olona, nahamay fananan’olona sy fananam-pirenena. Ny momba ny 7 febroary 2009 indray dia nisy ihany fanadihadiana saingy tsy atokisan’ny maro satria mitanila ary manao hoe “juge et parti” ny fanjakana.

Tsy miafina amin’ny rehetra manko fa ireo eo anivon’ny fitondrana amin’izao dia ireo nitarika ny olona hananika lapam-panjakana izay hiaraha-mahalala fa faritra mena na aiza na aiza. Manoloana izany àry dia fantatra fa nisy vondron’olona tsotra niangavy ny Profesora Raymond Ranjeva hitrandraka ny momba ireo raharaha ireo, hananganana ny vaomiera iraisam-pirenena mahaleotena hisahana ny fanadihadiana hahitana ny marina momba ny 26 janoary 2009 sy 7 febroary 2009. Misy taratasy ara-dalàna, irony antsoina hoe fanangonan-tsonia irony mandeha any ho any, hankatoavana ny fananganana io vaomiera io. Sonia iray hetsy no andrasana amin’izany, araka ny fanazavana. Dingana voloahany ihany izao fa mbola hisy koa ny manaraka, raha ny vaovao ihany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT