Raharaha 10 Aogositra 1991

> «Sady tsy nitifitra aho no tsy nampitifitra», hoy Ratsiraka


  • Alakamisy 12 Septambra 2013

22 taona aty aoriana vao niresaka mivantana momba ny raharaha 10 aogositra 1991 ny amiraly Didier Ratsiraka. Tsy namono olona aho ary tsy nampamono olona, hoy izy. Araka ny fitantarany dia roa andro mialoha ny 10 aogositra no nihaona tamin’ny Hery velona teny Iavoloha ny tenany.

Nifanaraka izahay fa horavana ny Antenimieram-pirenena sy ny governemanta ary hifanarahana ny fanendrena praiminisitry ny marimaritra iraisana izay omena ny fahefana feno, ka dia Atoa Razanamasy Guy Willy no neken’ny rehetra. Tsy nitifitra na bala iray aza aho ary tsy nampitifitra, hoy i Didier Ratsiraka. Tahaka izao ny zava-nitranga, hoy ny amiraly Ratsiraka : “ho avy ny elikoptera saika haka ny fianakaviako teny Iavoloha satria efa mihotakotaka be ihany ny raharaha… nisy nitifitra teny am-panidinana ny elikoptera, nahitana diam-bala 3. Tafapetraka soa amantsara tao Iavoloha ihany anefa. Niteny ireo miaramila avy eo fa hiverina hijery ny zava-misy ary hanipy grenady, tsy nanaiky izany aho ary tena hentitra. Baomba lakrimozenina no natsipy avy eny ambony elikoptera tany amin’ny 300 metatra ambonin’ny tany, ary tsy azo eritreretina mihitsy fa hahafaty olona izany”. Mbola tsiambaratelo navoakan’ny amiraly Ratsiraka ihany koa fa itompokolahy Rakotonirainy Germain (MFM) no nampandre azy ny alin’ny 9 aogositra fa ho avy eny amin’ny lapan’Iavoloha ny olona hitondra basy hamono azy. Niantso ny praiminisitra Razanamasy Guy Willy ny tenako nanontany ny mampitombina na tsia izany sy ny fepetra mety horaisiny, hoy ny amiraly. Nanome toky ahy ingahy Razanamasy, fa tsy tokony hisy hampikorapaka izany satria efa misy ny sakana sy mpitandro filaminana napetraka manomboka eny Analakely, Ambohidahy, Anosy. Manitrikitrika, araka izany, Atoa Didier Ratsiraka fa tsy izy velively na ny miaramila mpiambina azy no nitifitra ka nahafaty olona tamin’ny 10 aogositra teny Iavoloha. Tsy tena mbola nisy moa ny fanadihadiana lalina momba ny raharaha 10 aogositra 1991 ka noho izany dia mbola mistery tanteraka ny tena marina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT