May Ambondrona ! Vao mainka mampizarazara ny mpomba ny FAT ny fisafidianan’ny TGV nandritra ny kongresiny an’i Edgard Razafindravahy ho kandidan’ny antoko.
Efa nisintaka mialoha raha tsiahivina ny CST Rabetsaroana Sylvain, narahan’i Andrianainarivelo Hajo izay nosoketain’ny mpanohana ny FAT sasany ho mpamadika. Izy roa lahy ireo izay samy kandida filoham-pirenena. Niala tsy ho mpikambana UDR–C koa ny Leader Fanilo sy ny KMD izay milaza fa hanana ny kandidany avy. Mandeha koa izao ny siosion-dresaka fa hanohana an’i Roland Ratsiraka ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent sady mpitondra tenin’ny filankevitry ny minisitra sy Ravatomanga mpandraharaha. Ity farany izay sady mpikambana ao amin’ny GEL, vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lodsia, miaraka amin’i Roland Ratsiraka. Efa vaky dimy izany ankehitriny ny manda mpanohana an’i Andry Rajoelina raha tsy mbola hiampy indray koa ireo hisintaka ?
Miezaka mampitony ny maripana i Naivo Raholdina, Sekretera jeneralin’ny UDR-C izay milaza fa rariny raha toa ka misy fikambanana mpiaradia sasany tsy manaiky avy hatrany ny kandida nefa mbola hisy ny fifandresen-dahatra anatiny. Mbola manana fanantenana ny hanambatra indray ny herin’ireo mpanohana ny FAT koa ny tenany amin’ny alalan’ny fananganana vovonana vaovao iray. Fepetra takian’ny lalàna io satria ny vondrona politika mijoro ankehitriny dia tsy ahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana araka ny efa averimberin’ny minisitry ny atitany Rakotoarison Florent. “Antoko sy fikambanana 32 no hivondrona ao izay tsy ny TGV na ny UDR–C irery ihany fa na olontsotra manohana ny hevitra koa aza”, hoy ny CST Naivo Raholdina. Ao anatin’io vovonana io no hampifandrindrana ny programan’asan’ny TGV sy ny UDR-C sy hanapahan-kevitra momba ireo kandida iraisana amin’ireo fifidianana hafa rehetra, araka ny fanazavany ihany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.