Ny fifampiresahana hatrany no tena nomena vahana teo aloha fa fotoana kosa izao hampiharana ny lalàna ho an’izay minia mihoatra ny fefy, hoy ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent.
Miantso ny mpanao gazety hanaja ny lalàna mifehy ny asa sy ny etika ny tenany raha ny fanarahana ny bokin’andraikitra kosa no takiany amin’ireo orinasan-tserasera. “Tsy midika akory izany fa tsy misy ny fahalalahana saingy tokony ho araka ny lalàna velona”, hoy izy. Milaza ny vonona hizara ireo karazana lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ho an’izay mila izany ny ministeran’ny serasera. Nasiany tsindrim-peo manokana koa ny momba ireo mpanao gazety mifanasa vangy na mifanala-baraka amin’ny alalan’ny onjam-peo na gazety. Nampiany fa tsy voatery hifankatia ny samy mpanao gazety na koa ny minisitra sy ny mpanao gazety kanefa tokony hipetraka hatrany ny fifanajana.
Mampitandrina Rahajason Harry Laurent fa hosaziana izay minia mandika lalàna. Andrasana moa izay ho tohiny. Misy tokoa ny onjam-peo eto an-drenivohitra izay samy akaikin’ny FAT no tsy sasatry ny mifanasa vangy isan’andro. Momba ny holafitry ny mpanao gazety dia tsy ho ao anatin’ny tetezamita no hitsangana ny birao vaovao satria ny birao teo aloha izay tokony hikarakara ny fifidianana aza efa tsy misy intsony rehefa tapitra ny fotoam-piasany. Tsy andraikitry ny ministera anefa no mikarakara izany no sady mety tsy hisy intsony koa ny holafitra ao anatin’ny “Code de la communication” vaovao fa mety hisolo sendika, hoy hatrany ny minisitra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.