Politique

Raha krizy amin’izao Ho avy ny tafiky ny firenena mikambana


  • Zoma 16 Febroary 2018

Nanomboka ny 11 febroary hatramin’ny rahampitso ny fivahinianan’ireo iraky ny vondrona Afrikanina eto Madagasikara.

 

 Fanaraha-maso ny zava-misy marina eto Madagasikara, indrindra ny toe-draharaha politika no anton-diany, ary efa nialohavan’ny iraky ny Vondron-tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay na ny OIF izy io. Niezaka nanantona sy nananangom-baovao sy naka ny hevitry ny vovonana rehetra momba ny toe-draharaha sy ny mbola olana misakana tsy hisian’ny fitoniana politika. Tsy mbola milamina I Madagasikara, ary tsy tanteraka hatramin’izao na dia efa nanomboka tany amin’ny taona 2010 nanasoniavana ny tondrozotra aza ny dingam-pandaminana sy fampihavanana. Efa nisy ny fifanekena natao tamin’izany, ary mandrisika ny hanatanterahana an-tsakany sy andavany ireo fifanarahana efa vita sy mbola hatao ny sehatra iraisam-pirenena. Miantso ny mba tsy hiverenan’ny korontana, indrindra fa mandritra sy mialoha ary aorian’ny fifidianana. Tena nandany sy handany vola sy fotoana amin’io resaka fandaminana sy fifidianana io rahateo ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka tsy te hahalala afatsy ny hoe mila milamina sy mifandamina isika. Tsy hipotsaka velively ny famatsiam-bola raha tsy izay satria tsy adala izy ireo handany ny volany sy ny fotoanany aty Madagasikara. Efa maro ny fandaminana an-databatra natao teto nanomboka ny taona 2009, ka raha minia midingin-drambo sy hikorontana eto isika, dia ho avy ny dingana ambonimbony kokoa amin’ny alalan’ny fandefasana ny tafika misatro-mangan’ny Firenena Mikambana (ONU) tahaka ny efa hita any Afrika hampandry tany, izay miditra fa voahitsaka tanteraka ny fiandrianam-pirenena.  Te hanao zavatra sy tetikasa lehibe eto ny tandrefana satria toerana isan’ny stratejika indrindra sy tsiriritin’ny firenen-dehibe i Madagasikara, ka mitady filaminana izy ireo. Tsy ny misolelaka na ny manangan’ady amin’ny vahiny no zava-dehibe amintsika, fa ny fahaizana mametraka ny tombontsoam-pirenena ao anatin’ny fiaraha-miasa aminy satria tsy mbola mahavita tena aloha isika hatreto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT