Fitaovana entin’ny vahiny iarovana fanjakana eo amin’ny fitondrana mba hahafahany migoka ny harena sy tombontsoa eo amin’ny firenena ny demokrasia raha mbola manaiky ireo vahiny isika, hoy ny pasitera Mailhol, izay lehiben’ny antokom-pivavahana Apokalipsy tetsy amin’ny foiben’izy ireo tetsy Isotry.
Raha tian’ireo vahiny hiongana teo ihany koa anefa ireo mpitondra dia io demokrasia io ihany no hanonganany azy amin’ny fotoana izay tsy mampifanaraka azy ireo intsony. Rafitra mamotika toekarena ny demokrasia satria dia izany avokoa no niteraka ireo fandrobana teto amin’ny firenena nanomboka tany amin’ny 1972 no ho nankaty. Mila mametraka rafitra vaovao isika ho vahaolana, hoy izy, ka anisan’ny filamatra ny toy izay hita any Maraoka sy Alemana ary Angletera. Ny azy ireo, hoy ny tenany, dia misy olobe apetrany eny ambony saingy ny praiminisitra izay eo ambany fahefan’io olobe io kosa no mitantana ary azon’ilay olobe esorina rehefa hitan’ny vahoaka fa tsy mahavita azy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.