Politique

Rafilo Jean Feliste Efa vita ny fifidianana any Toliara


  • Talata 31 Janoary 2012

Nalahelo i Toliara tamin’ny tsy namelan’ny FAT ny Filoha Marc Ravalomanana niverina an-tanindrazana indray tamin’ny sabotsy 21 janoary teo, hoy ny filohan’ny mpanolotsain’ny tanàna any an-toerana Rafilo Jean Feliste mandalo eto Iarivo hatramin’iny fotoam-pitsenana iny.

 Ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, no mbola antenain’ny any an-toerana hanavotra ny fiainany amin’ny krizy mianjady aminy izao. Mbola nohamafisin’ity mpitari-tolona avy any Toliara ity ny teny nataony teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka tamin’ny fandraisany fitenenana tamin’ny herinandro lasa teo iny nilaza fa ombalahy be vozona tsy matahotra tany hiadiana ny Filoha Marc Ravalomanana ka raha any Toliara izy no hiditra amin’ny fiaramanidina avy any Afrika Atsimo dia vonona manontolo amin’ny fitsenana azy ny any ary vonona hiaro azy amin’izany. Nambaran’Atoa Jean Feliste koa fa ny olobe any Toliara any ankehitriny dia efa nanao fanambarana mazava fa tsy mila an-dRajoelina intsony noho izy tsy mahavaha ny olana mianjady amin’ity firenena ity, raha tsy hiteny afa-tsy ny raharaha mpitsara sy polisy any Toliara fotsiny isika. Noho ny nataon’ny FAT, hoy izy, dia efa vita ny fifidianana any Toliara, ho lany “1er tour” ny Filoha Marc Ravalomanana.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT