Rafidinjatovo Zafimahaleo

> Miantso ny Malagasy hanohana ny antson’ny FFKM


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena taorian’ny nanilihan’ny CES kandida filoham-pirenena valo be izao.

Ho anay Green Gasikara, hoy Atoa Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison, dia tsotra ny resaka : rehefa ny didy no voalazan’ny lalàna fa tsy azo hivalozana dia tsy misy azo atao aminy intsony ankoatra ny fampiharana azy. Mahagaga anefa, hoy ity mpanao politika avy any Matsiatra Ambony ity, fa novana indray ny didy navoakan’ny CES teo aloha fa hoe manana CES vaovao hisahana ny raharaham-pitsarana fifidianana isika. Na ho inona na ho inona anefa dia ho korontana no hateraky ny fanapahan-kevitra nanilika kandida noraisin’ity CES vaovao ity, fa tsy ho arakaky ny fiheveran’ny sasany hoe hitobaka ny vola fanampiana avy any ivelany raha tanteraka ilay izy. Tsapa izao fa ny fisian’ny olona mpanao politika anatin’ny CES no fototry ny fampikatsoana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Te-hamerina izahay, hoy Atoa Rafidinjatovo Zafimahaleo, fa tsy mety izao korontan-dava izao fa tokony hitodika amin’Andriamanitra isika ka hanohana ny antson’ny FFKM. Io sy ny fanaovana fifidianana lalàmpanorenana vaovao sisa aminay Green Gasikara no vahaolana ho an’ity firenena ity. Mangataka am-pirahalahiana ny ankolafy Ravalomanana izahay, hiala tao anatin’io fitondrana hanjakan’ny be no ho vitsy io fa aza finaritra miaraka amin’ny tsy mety.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT