Rafidinjatovo Zafimahaleo

> Hahita amin’ny vahoaka ianareo kandidŕ ireo


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

Tsy sasatry ny mamerimberina izahay fa tsy izy io fifidianana io, hoy Razafinjatovo Zafimahaleo avy amin’ny Green Gasikara.

Tsy ny fifidianana loatra no tsy tian’ny vahoaka, hoy izy, fa ny fomba hanaovana azy. Tsy dia hoe fitiavana loatra an’ilay kandidà no ahatongavan’ny vahoaka amin’ireny propagandy ireny, hoy ity mpandrindra ny Green Gasikara ity, fa ny hijery fampisehoana maimaimpoana. Anaovan’ireo kandidà fampideram-pahaizana ny vahoaka niniana ampahantraina. Raha resaka boaderôzy dia harem-pirenena ny andramena fa tsy hifamatopatorana amin’ny banky any ivelany izany fa tokony hiverina manontolo amin’ny vahoaka, hoy Atoa Fidison. Ny amin’ireo fiara 4x4 miisa 350 izay voalaza fa fanomezana (hono), dia aza mifamitapitaka, hoy ity mpanao politika ity fa izany no tena kobaka am-bava. Efa tonga saina ny vahoaka, hoy izy, fa hahita ianareo amin’ny fanisam-baton’ity fifidianana ity raha ho tanteraka tokoa.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT