Tanjona maro no tian’ny minisitry ny varotra vaovao, Atoa Rafidimanana Narson, hapetraka amin’izao nanendrena azy ho mpikambana ao anatin’ny governemanta Kolo Roger izao.
Fanambiny ny hanomezana tosika ny varotra ivelany mikasika ny voly fanondrana toy ny jirofo, lavanila, cacao, lodsia izay hita fa hararaotin’ireo vahiny. Eo koa ireo vokatry ny fambolena hafa izay tadiavin’ireo Nosy rahavavy nefa tsy mbola tena mahazo vahana eto amintsika, toy ny katsaka, tsaramaso, kabaro, izay tsy maintsy hifanampiana amin’ny minisiteran’ny fambolena.
Hapetraka ao anatin’izany ny fampanaraham-penitra ny vokatra ary ny fanamaroana ny vokatra haondrana mba tena hisy tombontsoa ho an’ny mpamboly ary hisy fiantraikany tsara amin’ny toekarena Malagasy. An-kilan’ireo ny fanaraha-maso ireo entana mitobaka nefa ratsy kalitao izay manimba ny indostria sy ny famokarana ary ny varotra Malagasy. Ny tanjona, hoy ny minisitra Rafidimanana Narson dia ny hametrahana amin’izay ny “Label Malagasy”, ka sady hahazo vokatra tsara ny mpanjifa no hivoatra ny orinasa sy ny famokarana Malagasy ary miditra ny volam-panjakana. Nianatra manokana momba ny varotra tany Frantsa ny minisitry ny varotra Rafidimanana Narson.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.