Politique

Rafidimanana Narson “Diniky ny samy Malagasy no hahavaha izao krizy izao”


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Lefitry ny Ben’ny tanŕna tamin’ny andron’Atoa Ratsiraka Roland Iarovana nitantana an’i Toamasina Atoa Narson Rafidimanana.

 Nisintaka teo amin’ny raharaha politika ny tenany ary nanamafy ny fandraharahana asany efa hatramin’izay, taorian’ny famonjana azy ireo ny taona 2006 sy 2007 rehefa nenjehin’ny fanjakana noho ny fitantanana voalaza fa tsy nety sy fisian’ny fitantanam-bola tsy nazava teo anivon’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra. Mpikambana ao amin’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina) i Narson Rafidimanana, saingy tsy hita intsony amin’ireo hetsika ataon’ity antoko ity izy.

Nanazava moa izy na somary nihaotra kely ny aza raha sendra ny Tia Tanindrazana fa tsy nisintaka tamin’ny MTS, fa noho ny asa fandraharahana ataony dia izay aloha no hamafisiny. “Iaraha-mahalala koa fa mijaly ny mpandraharaha noho ny krizy toraka izany koa ny vahoaka Malagasy izay miha-mahantra noho ny disadisan’ny mpanao politika», hoy izy. Nambarany moa fa ny diniky ny samy Malagasy ihany no hahavaha izao krizy izao, fa “tsy ny vahiny foana no hametraka fepetra eto». «Mila finiavana eo amin’ny mpanao politika anefa izany, fa raha mbola eo ny lonilony politika sy fiheverana valifaty lava, dia tsy hisy filaminana eto. Iaraha-mahita ny hetsiky ny Malagasy leo sy kivy, mitaky filaminana sy fitondrana tena izy hitondra ny fampandrosoana ho azy», hoy hatrany Atoa Narson Rafidimanana.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT