Efa maharesy lahatra ny maro fa tsy nivaona tamin’ny rafi-pitantanana frantsay hatrany amin’ny fotoanan’ny
fanjanahantany ny rafi-pitantanana ny firenena Malagasy mandrak’ankehitriny. Maro ihany koa ireo hery politika miezaka maneho fa raha tiantsika ny hivoaka ao anatin’izao fahantrana izao dia mila fanavaozana ifotony mihitsy aloha ny rafitra rehetra misy eto. Hita ho tsy mahagaga ihany ny fikorontanan’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amintsika noho ny fisian’ny rantsana be loatra any anatin’ireny rafi-panjakana mijoro ireny. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ohatra, raha ny fanazavan’ny mpikambana anatina sendika iray eo anivon’izany dia manana sendika efa ho 20 isa ary ny 5 amin’ireo dia misy Sempama daholo. Ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka koa iny ny faran’ny herinandro teo nanangana ny kaonfederasioniny ireo polisim-pirenena raha toa ka efa manana sendika miisa 4. Ny fitsarana manana ny holafitry ny mpisolovava sy ny SMM sy ny hafa mbola mety tsy voatanisa any ambadika any. Resaka fikambanana anatiny fotsiny izay fa ireo birao isan-karazany marobe angamba ho marain’andro eto raha hotanisaina daholo fa ny azo amehezana azy dia ny hoe hita ho miteraka tsy filaminana marobe amin’ny rafi-panjakana misy sy ny ao anatiny rehetra izay fahamaroana loatra eo amin’ny birao sy fikambanam-panjakana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.