Tsy mahazo manatrika hetsika na lanonana intsony Rafaramandimby Bona Pierre, filohan’ny fikambanana niaram-boina tamin’ny 07 febroary taona 2009 na AV7, mpiara-dia tamin’ny antoko HVM teo aloha.
Tsy mahazo mitsofoka any anaty lapam-panjakana toa an’Ambohitsirohitra ihany koa izy raha ny fanazavany omaly noho ny antony tsy fantatra. Nosakanana tsy afaka nanatrika ilay fotoam-pivavahana nentina nanamarihana ny fahafolo taona nisian’ny rà latsaka teny Ambohitsorohitra sy ny manodidina araka izany i Bona Jean Pierre omaly ka teny amin’ny manodidina teny fotsiny no nihaodihaody omaly. Efa vita akanjo fotsy tsara anefa ny lehilahy nandritra izany no sady efa vonona tamin’ny fanateram-boninkazo ihany koa saingy indrisy. Nomarihin’ity filohan’ny AV 7 ity moa fa tsy fantany mazava izay tena manome baiko ny amin’ny tsy fahafahany mihetsika intsony na ny fitondrana amin’izao fotoana na ireo olona manodidina azy. Mikasika ireo olon’ny AV 7 nampidirina ho mpiasam-panjakana ary mbola ao anatin’ny ECD ankehitriny dia nambarany fa miankina amin’ny fanjakana mijoro amin’izao ny mety ho tohiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.