Politique

Rafanomezantsoa Jean Nirina Hilamina tanteraka ny tetikasa « Exode Urbain »


  • Talata 12 Janoary 2016

Zava-dehibe indrindra ho anay Hafari Malagasy, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ny kabarin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha tamin’ny 8 janoary iny izay nanome lanja ny sosialim-bahoaka tamin’ny firesahana ny hamadihana ny tany rehetra

 

mipetra-potsiny ho fananam-panjakana  ary hanoratana ireo tany amin’izay nanajary azy an-taonany maro rehefa tonga ny fampiharana azy. Azo ambara, hoy izy, fa nody ventiny ny fangatahana  nataonay Hafari an-taonany maro. Tokony hohamoraina koa, hoy izy,  ny fahazoana « titre »  sy tombam-pananana ary « mutation » ny tany fa mora ny mampiditra hetra avy eo rehefa to izany. Mandra-piandry ny didy fampiharana dia tokony hanomboka ny fanaovana “constatation” ireny tany mipetra-potsiny ireny sy fanaraha-maso akaiky ireo raharaham-pitsarana misy ankehitriny mikasika ny fananan-tany.   

Zava-nitranga tany Mahajanga

 Amin’ny ankapobeny  dia efa any am-ponja ny filoha lefitry ny Hafari Malagasy nanodinkodim-bola nitentina 225.000.000 ariary tany Mahajanga. Efa voasambotra tamin’ny sabotsy lasa teo koa teo am-pangalana 10 tapitrisa ariary ny ramatoa anisan’ny nilatsaka kandidà  ho filoham-pirenena farany teo izay niray tsikombakomba taminy. Vonona ny Hafari hanonitra ireo niharam-boina rehetra. Manomboka izao dia mamoaka fepetra ny Hafari Malagasy fa tsy misy afa-tsy ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina no miandraikitra ny fifanarahana rehetra mahakasika ny tetikasa “Exode Urbain” manerana ny nosy ary efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hahazo tany any Moramanga, manaraka eo ny sisa.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT