Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fahalaniana ho ben’ny tanàna teo amin’ny kaominina Ampitatafika taorian’ny fitoriana nataon’ny kandidàn’ny IRK ka nandresy i Rado Ramparaoelina, voafidy tamin’ny antoko TIM.
Manana biraom-pifidianana miisa 100 ny kaominina ka ny 98 amin’ireo dia nitarihany avokoa. Birao fandatsaham-bato roa monja no tsy nandany azy. Misaotra eram-po eran-tsaina ny vahoaka, i Rado Ramparaoelina amin’ny fametrahana fitokisana azy. Efa vonona ny drafi-pandrosoana ny kaominina, hoy izy. Marihana fa niavaka ny fampielezan-kevitra farany teo. Nomena fahalalahana hiteny ny olona ary nampiasaina ny demokrasia sady tsy nisy fanampenam-bava. Ireny fitarainana sy hetaheta ireny no narafitra ho fotodrafitrasa ka hitadiavana famatsiam-bola. Hiavaka ihany koa ity fe-potoam-piasana ity satria hatao isaky ny vohitra ny fampandrosoana fa tsy atao isaky ny fokontany 13. Nandroso soso-kevitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena moa izy. Tokony hiara-kiasa akaiky ny fanjakana foibe sy ny kaominina. Ny fizarana ny fanampiana dia tsy atao tombo sy hala fa izay azon’ny kaominina iray dia sitrahan’ny kaominina hafa. Nilaza ihany koa izy fa tsy tokony hisy intsony ny antsojay amin’ny alalan’ny fitsirihana na fampitahorana amin’ny BIANCO. Mila miasa an-kalalahana ny ben’ny tanàna rehetra. Mila fampiofanana na fahalalahana amin’ny resaka lalàna sy fitantanana koa. Ilaina ny fanaraha-mason’ny fanjakana izay raiamandreny hitalahoana fa tsy sanatria handrahona, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A. sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.