Politique

Rado Ramparaoelina Hanatsara ny sehatry ny fanabeazana eny Ampitatafika


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho Ben’ny tanàna teny amin’ny OVEC 67 ha omaly Rado Ramparaoelina, kandida Ben’ny tanànan’Ampitatafika.

 

 

 Fanovana goavana no entiny amin’izao firotsahany indray izao raha ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Anisan’ireny ny fametrahana ny Ben’ny tanàna sy ny lefiny ho mpanatanteraka satria ny lefitra matetika dia mijanona eo amin’ny fampanandehanan-draharaha  ihany. Hanatsara ny fifandraisana amin’ireo fokontany 13 isa mandrafitra ity kaominina iray ity. Fivoriana iray  isam-bolana tamin’ny fe-potoam-piasana taona 2008 saingy naato ny taona 2015. Averina izany satria manatsara ny tanàna ny fanakalozana vaovao miaraka amin’ny sampandraharaha misahana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.  Ankoatra izay dia manana asa telo lehibe laharam-pahamehana ihany koa ny tenany. Lohalaharana amin’ireny ny fanatsarana ny lafiny fampianarana. Raha nitodika tany amin’ny lisea ny tenany tamin’ny taona 2015 nahalany azy voalohany tao Ampitatafika dia nitodika tamin’ny EPP indray tamin’ny taona 2018 nahalany azy fanindroany. Hanome sehatra bebe kokoa ny CEG indray ny tenany raha mbola lany soa aman-tsara amin’ny fifidianana ho avy eo arahin’ny fananganana hanjary ho vaovao iray manontolo ny EPP ao Ambohibary izay horavana tanteraka mihitsy.  Hiroso amin’ny vinam-piarahamonina atao entina handresena lahatra ny mpifidy i Rado Ramparaoelina, izay natolotry ny antoko TIM. Hampisongadina ny antoko izy ary hiezaka hametraka hatrany ny “leadership”, izay tena mampisongadina ny antoko. Tsy atao ho sakana kosa anefa ny lokon’ny antoko satria rehefa lany ho ben’ny tanàna izy dia ho an’ny rehetra. Ny faniriana dia tsy ny loko politika no hampisaraka ny Malagasy.

Pati sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT