Notorian’ny kandida ho ben’ny tanana natolotry ny vovonana politika, IRK, nifaninana taminy tao Ampitatafika koa ny kandida natolotry ny antoko politika Tiako I Madagasikara, Rado Ramparaoelina.
Araka ny fanazavan’ity kandidan’ny TIM ity dia isan’ny angatahan’ny mpitory ny fanafoanana ireo voka-pifidianana amina biraom-pifidianana maro tao an-toerana sy ny fanalana an-daharana ny kandida Rado Ramparaoelina ary ny famerenana ny fifidianana. Nolazain’ny mpitory fa tsy nametra-pialana tamin’ny toerana maha ben’ny tanana am-perin’asa azy ity kandida ity. Eo koa ny hoe tsy nanao sonia ny voka-pifidianana tamin’ireo biraom-pifidianana. Efa voamarina anefa fa nanao izany daholo ireo delegen’ny biraom-pifidianana ary efa ao koa ny taratasy manamarina fa nametra-pialana aho. Tsy matahotra ny hamerenana fifidianana ny tenako, hoy izy, satria fanintelony amin’izao izahay no nifaninana ary tsy naharesy ahy mihitsy io kandida io. Manoloana ny fahitana fa saika ireo kandida lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM daholo no maro mpitory dia nanambara ny tenany fa nisy ny baiko ny amin’ny tokony hahalany ny kandidam-panjakana rehetra. Ny zava-misy dia manomboka any amin’ny lehiben’ny distrika sy delegen’ny boriborintany no ataon’ny fanjakana fitaovana. Isan’ny porofon’izany ny filazan’ny sefo distrika fa tokony hametra-pialana ny mpiasan’ny kaominina nanaraka propagandy. Raha ny lojika anefa dia olona politika ny ben’ny tanana ary tokony ho olona politika koa ny STAFF manaraka azy. Nakanay hevitra tamina ora tsy mitovy, hoy hatrany izy, ny filoha sy filoha lefitry ny CENI ary nitovy ny valintenin’izy ireo fa fiatoana na “conge” dia efa ampy saingy ny sefo distrika anefa nanizingizina fa tsy maintsy fametraham-pialana. Hatramin’ny filoha misahana ny fifidianana amin’ny distrika aza dia tsy nanome “badge” anay, hoy hatrany izy, raha tsy nisy fanelanelanana tamin’ny filoha lefitry ny CENI. Tamin’ny 8 ora sasany vao nahazo izany izahay ny andron’ny fifidianana. Raha nomena taloha, hono, dia manao propagandy ary ny delegen’ny boriborintany dia efa namboarina araka izay hoe tsy misy mahazo miditra anaty biraom-pifidianana raha tsy manana “badge”. Raha fintinina, hoy hatrany izy, dia efa nipetrapetraka ny fanelingelenana tao anaty fifidianana niainga tamin’ny sefo distrika mihazo ny delegen’ny boriborintany hatrany amin’ny PECED.
J. Mirija/ Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.