Politique

RADO RAMPARAOELINA Efa azo antoka ny vato 85 %


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Efa azo antoka ny isam-bato 85 % ho an’ny kandida Rado Ramparaoelina, mpifaninana ho Ben’ny tanàna ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.

 

Afa-po tamin’ny ezaka nataony izy sy ireo mpanara-dia azy tao anatin’izay tapa-bolana niatrehany ny fampielezan-kevitra izay ary efa voarainy any am-pelatanany avokoa ireo maharary ny vahoaka. Anisan’izany ny asa fanamboaran-dalana, ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Voatetin’ity kandida iray ity avokoa ireo fokontany 13 mandrafitra ny kaominina iadidiany raha vao nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny fitantanana mangarahara tamin’ny zava-bitany izay nahazoany salan’isa 64 %, fanaraha-maso takian’ny vondrona Eoropeanina.Toy ny tamin’ny fanokafana ny fampielezan-kevitra dia fotoam-pivavahana nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ihany koa no namaranany ny fampielezan-keviny omaly alahady teny amin’ny tanimenabe Ampitatafika na ilay antsoina hoe : faradoboka, nafanaina mpanakanto malaza maro toa an’i Kougar. Mikasika ilay tany nohajarian’ny fokonolona 100 taona ao Erana zozoro navadika ho an-tsokosoko tana-masoandro moa ny anarany ankehitriny dia nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa tany an-damosin’ny kaominina avokoa no nikarakarana izany taratasy rehetra izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT