20 mey 2010- 20 mey 2014, feno efatra taona katroka rahampitso ny nanakatonan’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ny fampidirana am-ponja ireo mpiasa miisa 10 nanatanteraka ny asa fampahalalam-baovao ny olom-pirenena.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia io andron’ny 20 mey 2010 io no nisy ny hetsika fitakiana nataon’ireo zandary teny amin’ny FIGN Fort-Duchesne ka nahatonga ny fanafihana nataon’ireo Emmo-Reg niaraka tamin’ny FIS ity tobin’ny Hery vonjitaitran’ny zandary ity. Amin’ny maha onjam-peo mpandala ny ara-dalàna azy dia niezaka nampita ny vaovao mivantana ireo mpanao gazety tamin’io tontolo andro io. Ny harivan’io moa dia nosamborin’ireo herim-pamoretana mitam-basy tsirairay izy folo mianadahy, nanomboka teny Ambatonakanga ny fisamborana. Noraofina ihany koa ireo fitaovana fampitam-baovao teny Imarivolanitra nisy ny toerana fiasana.
Nentina teny amin’ny Brigade Criminelle izy ireo ary notazonina herinandro tao nialoha ny niakarana teny amin’ny Fampanoavana ka nampidirana azy ireo teny amin’ny fonjan’Antanimora. Naharitra 110 andro teny ireto mpiasan’ny haino aman-jerin’ny Radio Fahazavana ireto izay nivoaka ny 8 septambra 2010. Mandraka androany dia tsy mbola nosokafan’ireo mpitondra nifandimby ity onjam-peon’ny FJKM ity na dia efa maro ihany aza ny fangatahana momba izany. Ny tondrozotra rahateo dia milaza mazava ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana FAT saingy toa antso an-tany efitra izany. Hisy rahampitso ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra eny amin’ny FJKM Ambatomena ho fahatsiarovana io datin’ny 20 mey 2010 io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.