Politique

Radio Antsiva Hijanona tsy hiresaka politika aloha


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Nanapa-kevitra ny tsy hanao fandaharana sy famakafakana politika intsony, nanomboka omaly ny radio Antsiva.

 Ny anton’izany moa araka ny fanazavana avy amin’ireo mpanao gazetin’ity onjampeo ity dia noho ny fahatsapana fa misahotaka sy mikorontana be loatra ny politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny eto amintsika. Nambaran’izy ireo fa tsy mety tonga saina ny mpanao politika fa variana amin’ny tombontsoa manokan’izy ireo. Tsy misy ny tena fifantohana amin’ny fikarohana vahaolana maharitra hamahana ny krizy fa fitiavan-tena no betsaka, hoy izy ireo. Nanamafy moa ny tao amin’ny radio Antsiva fa fanapahan-kevitr’izy ireo madiodio, tsy misy idiran’ny fitondrana na ny ankolafy izatsy na izaroa izao fampiatoana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fandaharana politika rehetra izao. M

anomboka amin’ity anio ity izany dia tsy hisy intsony ny fanomezana sehatra ny mpihaino amin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny fandaharana Ny Marina sy lapan-kevitra ary ny fandraisana vahiny manokana hiresaka politika ao amin’ny 97.6 FM. Natao mba hanairana ny sain’ny rehetra izao fampiatoana ny fandaharana izao, araka ny fanazavana voaray ihany. Tsara homarihana moa fa Atoa Ismael Razafinarivo, mpanao gazety ary mpanao famakafakana politika no talen’ny famoahana ao amin’ny radio Antsiva. Anisan’ireo fananan’ny PDS Edgar Razafindravaha eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery ity onjam-peo ity. Somary nanaitra ny maro ihany ilay fanapahan-kevitra tampoka, satria io resaka politika io no tena nahafantarana ny Antsiva hatramin’izay nisiany ary nahaliana olona maro hatrany ireo famakafakana nandeha tao.

Tsy nisalasala nilaza izay tsy nety nataon’ny mpitondra ity onjam-peo ity, ary niezaka ny nanome vaovao maro loko ny mpihaino azy hatrany. Tena henjana ny fanehoan-kevitra nanakiana ny fitondrana Ravalomanana tao amin’ny Antsiva, nanomboka tamin’ny 2008 kosa dia tsapa ihany fa misy fironana mankany amin’Atoa Andry Rajoelina ity onjam-peo ity na dia niezaka ny nilaza foana aza ireo mpanao gazety fa tsy manohana olona izy ireo. Mipetraka ary ny fanontaniana ankehitriny : hanova inona eo amin’ny tontolo politika izao fanapahan-kevitry ny Radio Antsiva izao ? Ary inona marina no tena ao ambadik’io fanapahan-kevitra io ? 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT