Radavidson Andriamparany

> Tonga ny fotoana hamaranana ny tetezamita


  • Talata 03 Septambra 2013

«Tsy miova ny fomba fijerinay ao amin’ny FFF (Firaisam-pirenena ho an'ny Fahafahana sy Fandrosoana) fa isika Malagasy ihany no mila mamaha ny olantsika», hoy Atoa Radavidson Andriamparany raha nanontaniana ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

Nambarany fa efa hatrany am-piandohana no nametrahany izay foto-kevitra izay ka nilazany fa ny samy Malagasy ihany no tokony hitady vahaolana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. Mampalahelo fa nihomehezana izahay tamin’izany, hoy izy. Amin’izao fotoana indray anefa dia ireo olona nanao be marenina taloha ireo indray no miseho ho avo vava sy mimenomenona fa mitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny Malagasy ny avy any ivelany kanefa isika, hoy izy no niantso azy ireo. Aza fitapitahina intsony ny vahoaka, fa mila mijoro ny mpanao politika mandamina izany, hoy hatrany izy. Nambarany moa fa ny olana dia rehefa misy ny tombontsoa azo amin’ny vondrona iraisam-pirenena dia tsy tonga any amin’ny vahoaka akory izany, nefa izy taomina hiady amin’ireo. Nambarany fa efa fotoana hamaranana ny tetezamita izao ka mila atao ny fifidianana, satria efa tena sahirana ny vahoaka. Efa fantatry ny rehetra ny tsy fahatomombanana amin’io fifidianana io dia tokony hifanome tanana ny rehetra mamaha izany fa tsy hifanome tsiny sy hifanipy baolina eto fotsiny, hoy ny kandidan’ny FFF. Mikasika ny mety hanohanan’ny ankolafy Ravalomanana azy dia nolazainy fa efa fotokevitry ny FFF ny hampiray ny firenena ka tsy misakana izay olona na fikambanana manohana azy izy, ary naveriny indray fa tsy olona no tohanana fa fotokevitra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT