Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fitsinjarana ara-drariny ny harena eto amin'ny firenena ny kandida Radavidson tany amin'ireo tanàna nandalovany. Raha trandrahana ny vy ao Soalala, hoy izy dia tokony hahazo tombony ny any an-toerana.
Raha tapahana sy amidy ihany koa ny "bois de rose" any avaratry ny Nosy dia tokony hahazo soa amin'izany ny vahoaka any an-toerana. Faritra telo dia i Sofia, DIANA, SAVA no notsidihan'ny kandida Radavidson Andriamparany ny faran'ny herinandro lasa teo. Ny firesahana mivantana amin'ireo mponina no tena nimasoany. Nohamafisiny fa ny fampiharana ny fahamarinana no antoka ialana amin'ny fahasahiranana eto amin'ny firenena. Tanàna maro no voatsidika tao anatin'ny andro vitsivitsy. Anisan'izany i Mampikony, Port-Bergé, Antsohihy, Ambanja, Ambilobe, Antsiranana, Vohémar, Sambava ary Antalaha. Nijanona tamin'ny tanàna kely maro ihany koa Atoa Radavidson Andriamparany, toy ny tanànan'Anjavimilay sy Antranokarany, samy ao anatin'ny distrikan'Ambanja. Ankoatra ny fampianarana ny mponina amin'ny fampiasana ny bileta tokana dia nohamafisin'ny kandida hatrany ny fananany traikefa ahafahana manala an'i Madagasikara amin'izao fahasahiranana mianjady amin'ny firenena izao. Nampatsiahiviny fa maro amin'ny fotodrafitrasa any amin'ny faritra avaratra no tontosa sy namoahana vola tamin'ny alalan'ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny any ivelany nandritra ny fotoana naha minisitry ny tetibola azy, raha tsy hilaza afa-tsy ny lalana mampitohy an'Antalaha sy Sambava sy ny mampitohy an'Antsohihy sy Antsiranana. Amin'ity herinandro ity kosa dia ny faritra Atsimo Atsinanan'ny Nosy no hotsidihan'ny kandida.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.