Nivoitra nandritra ny famelabelaran-kevitra nataon’ny kandida ho filoham-pirenena Radavidson Andriamparany ho an’ireo mpanohana azy tany Ambatondrazaka ny talata teo fa nandentika ny firenena sy namela azy hoviravirain’ny vahiny ary nanao ampihimamba ny harena ao aminy no nataon’izao fitondrana tetezamita izao.
Nambarany fa ny fahatsapany ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena teo amin’ireo mpitondra no nahatonga azy nanangana ny antoko FFF na Firaisam-pirenena ho an’ny Fahafahana sy ny Fandrosoana. Araka ny nambarany dia ny taona 2005 izy no efa nahatsikaritra tsy mety teo amin’ny fitantanana ny firenena. Ny taona 2009 no nijoro ny antoko FFF. Milaza ny lehilahy fa hanarina ny firenena ny tena tanjona tiany hahatongavana amin’io filatsahana hofidiana filoham-pirenena io. Nahazo teny mavesatra avy aminy ny fitondrana tetezamita. Nomeny tsiny ihany koa ny fitondrana teo aloha. Somary nahagaga ny nilazany fa tsy mety ny fomba nitantanana ny firenena nanomboka 2005 nefa ny tenany mbola nijanona tao amin’ny fitondrana ihany. Anisan’ireo nanao tsy mety koa ary ve ny tenany ? Niezaka nanadio ny tenany izy nandritra io tafa nataony tao amin’ny trano filanonana Espace Laza Ambatondrazaka io ary nampiseho tamin’ireo mpanohana azy fa vonona hisedra ny safidim-bahoaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.