Radavidson Andriamparany

> Hiaka-tsehatra etsy amin'ny Coliseum


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2013

Hanatontosa faradoboky ny fampielezan-keviny etsy amin'ny Coliseum Antsonjombe ny kandida laharana faha-9 amin’ny bileta tokana, Radavidson Andriamparany, rahampitso talata 22 oktobra, rehefa avy nitety faritra maro teto Madagasikara tao anatin'ny efatra herinandro.

"Vavaka sy hira ho an'ny Tanindrazana" no lohahevitra hoentiny mamarana ny fampielezan-kevitra. Ny tapany Atsinanan'ny Nosy no notsidihan'ny kandida tato anatin'ny andro vitsivitsy. Ankoatra an’i Toamasina dia tanàna maro no nalehany sy nitafatafany mivantana tamin'ny vahoaka, toy ny tao Fenoarivo Atsinanana, Ampasina Maningory, Foulpointe, Mahambo, Manankafatany, Manatsatrana, Maromitety, Menatany, Morafeno, Soanierana Ivongo, Vavatenina ... Ny fanamaivanana ny vesatra mianjady amin'ny vahoaka amin'izao fotoana no ambetin-dresaky ny kandida. "Misafidy ny fampandrosoana sy ny fanarenana an'i Madagasikara ianareo raha mifidy anay", hoy izy. Nambarany fa "ho maimaimpoana ny fampianarana any amin'ny EPP sy CEG mba ho fitsinjovana ny Malagasy. Ho maimaimpoana ihany koa ny fitsaboana ho an'ireo sahirana, ary ny tobim-pahasalamana no hanakaiky ny vahoaka fa tsy ny vahoaka intsony no handeha toerana lavitra hanatona tobim-pahasalamana". Eo amin'ny lafiny toekarena sy sosialy dia nanamafy ny kandida Radavidson Andriamparany fa "Averina amin'ny ara-drariny ny lafiny fananantany mba ahafahan'ny Malagasy mamokatra am-pilaminana, hamoraina ny vidin'ny zezika sy ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny famokarana ary ampidinina ny tahan'ny zana-bola amin'ny sehatra fampindramam-bola madinika". Ankoatra izay, mba ho fanamaivanana ny isan-tokatrano ihany dia hofehezina tsy hiakatra ny vidin'ny jiro sy rano vokarin'ny Jirama ato anatin'ny roa taona ary hojerena ny fomba hampidinana izany avy eo, hoy ny kandida.  

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT