Taorian’i Fianarantsoa dia ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano indray no notetezin’ny kandida Radavidson Andriamparany Benjamin omaly nampahafantarany ny fandaharanasany sy nanentanany ny olona hifidy.
Nandritra izany koa no nanaovany tombana ny zava-nisy nandritra ny efa-taonan’ny tetezamita, izay tsy nanao afa-tsy mambotry firenena, nampikoroso fahana ny toekarena ka nampahantra ny vahoaka. Nanjaka ny tsy fahamarinana, hoy izy, ka ny hampanjaka ny fahamarinana hisian’ny hoavy mamiratra no antony ijoroany. Raha mbola mitohy izao tetezamita izao, raha mbola ireo no hitondra eo dia ho zava-doza no hitranga eto amin’ity firenena ity, hoy ny kandidan’ny FFF, izay nilaza fa tsy zazavao amin’ny fitantanana ny firenena fa be traikefa. Nitaona ny vahoaka ho mailo ny tenany manoloana ny fihetsiky ny kandida sasany mandraviravy vola, manao tapimaso. Fomban’ny te hijanona amin’ny fitondrana ireny, hoy Radavidson Andriamparany mbola mitetika ny handroba firenena, koa aoka hahay hisafidy na hijanona anaty fahantrana na hisafidy fanjakana tan-dalàna anjakan’ny fahamarinana sy Malagasy miray hina, hoy izy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.