Efa ny rehetra mihitsy no miaiky ankehitriny fa tokony hovaina ny faomba fanaovana politika eto Madagasikara fa tsy nahomby ny natao hatrizay, hoy Atoa Radavidson Andriamparany Benjamin filohan’ny antoko FFF.
Samy maka ho azy mantsy ny mpanao politika Malagasy ary nanjaka ny fanohanana olona bontolo na ho an’ny teo amin’ny fitondrana na ho an’ireo nilaza ho mpanohitra. Hilaina amin’izany fomba vavao hatsangana izany ny fifampihainoana sy ny fifampitaizan’ny samy mpanao politika. Tsy misy afa-tsy ny tombontsoam-pirenena no hibaiko ny tsirairay, hoy ity filohan’ny FFF ity, fa raha tsy izany tsy ho tanteraka ny vina fampandrosoana marina ny firenena Malagasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.