Radavidson Andriamparany Benjamin

> Hiady amin’ny fahalovana


  • Alatsinainy 23 Septambra 2013


Maro tamin’ireo kandida filoham-pirenena no nanokana ny andron’ny alahady 22 septambra hanankinana amin’Andriamanitra sy nangataha-pitahiana taminy ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana ho avy. Ho an’ny kandida Radavidson Andriamparany Benjamin dia ny nisafidy ny FJKM Ambodifiakarana Tsimbazaza izy nanatanterahana izany omaly tolakandro. Nisafidy ny andalan-tsoratra masina "Ny fahamarinana no manandratra ny firenena" izy ho lohahevitra nanankinana ny fotoana. "Efa telo arivo taona izany teny izany saingy mbola mifanandrify tanteraka amin'ny vanimpotoana ankehitriny", hoy Radavidson nandritra ity fivavahana iraisam-pinoana ity. Izy izay nilaza fa anjakan’ny fahalovana, kolikoly, tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahamarinana eto ny firenena ka ny hiady amin’izany no ijoroany, izy izay mihevitra fa tendrin’Andriamanitra izao firotsahany ho kandida hanao izay hanjakan’ny fahamarinana eto. "Izahay dia miezaka manara-dalàna na dia misy aza ireo somary nangalatra départ", hoy izy. Na izany aza dia nitsodrano ireo kandida hafa ny tenany.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT