Politique

Radavidson Andriamparany Benjamin “Aoka ho sahy, fa aza mitranga mihemotra !”


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Manao antso ny mba hibanjinana ny fiainam-pirenena Atoa Radavidson Andriamparany Benjamin. Aoka izay ny fanaovana tsinontsinona ny fiainam-bahoaka, hoy ity kandida filoham-pirenena atolotry ny FFF (Firaisam-pirenena ho an'ny Fahafahana sy Fandrosoana) ity, fa ny firenena no ndao hojerena.

Aoka samy hampandefitra hambom-po sy ny fitiavantena fa tsy fotoanan’ny tsikera sy fifanomezan-tsiny intsony izao, fa vao mainka hampisavoritaka ary mampisafotofoto nefa ny tanjona dia ny hahatongavana amin’ny filaminana hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. Mikasika ny faneren’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny hanilihana ireo kandida sasany tsy hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia namerina indray Atoa Radavidson Andriamparany Benjamin fa na iza na iza milatsaka dia vonona foana izy ireo. Tsy olana amin’ny FFF izany. Notsoriny fa mety misy tsy vonona angamba, dia manao izay fomba rehetra tsy handehanan’ny fifidianana. Rehefa hiala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika dia aoka ho sahy, fa aza mitranga mihemotra na rehefa tsy hiala, dia ovay ny lalàna hahafahan’ny rehetra mirotsaka ara-dalàna, hoy Radavidson Andriamparany Benjamin ary aoka ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana tsy ho baikon’ny foto-kevitra politika, na koa handika vilana ny lalàna.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT