Politique

Radavidson Andriamparany “Aza fitapitahina ny vahoaka”


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Ambohipihaonan’ny mpikamban’ny antoko FFF na «Firaisam-pirenena ho an'ny fahafahana sy ny fandrosoana» avy amin’ireo Distrika eto Antananarivo renivohitra miampy an’Atsimondrano sy Avaradrano ary Ambohidratrimo teny Ambohimanambola ny sabotsy 25 mey teo.

 Sady fifankalalana bebe kokoa sy nanamafisana ny firaisankina no nanomezana toromarika ny mpikambana io, hoy Radavidson Andriamparany filohan’ny FFF sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay ihany koa. Nandritra io no nanehoany ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, ka nilazany mazava fa “aza mba fitapitahina ny vahoaka”. Manome rariny anay ny tantara, hoy izy. “Efa hatrany amboalohany izahay no niantso ny hifandaminan’ny samy Malagasy saingy tsy nisy nihaino, ka izao manjary ny vahiny no mahazo vahana noho ny nataon’ny politika”. Vonona ny FFF hiatrika ny fifidianana na oviana na oviana ary tsy olana na iza na iza hirotsaka eo, hoy Radavidson Andriamparany. Ity farany izay nilaza fa sitraky ny FFF mba ho afaka hifaninana amin’izany ny rehetra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT