Vita ny fihaonana voalohany teo amin’ny vaomiera roa tonta misahana ny famerenana ireo nosy « Eparses ».
Tokony hanao tatitra ny Fitondrana ka ao anatin’izany no handinihana ireo dingana manaraka mba ahafahana miomana amin’izay hotenenin’ny frantsay satria izany no fomba fiady amin’ny fifampiresahana, hoy Radanaora Julien, mpampianatra ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ho lavalava io resaka io ary mety harirariran’ny frantsay. Noho izany, ny famerenana ireo nosy manodidina tsy misy hatak’andro no hitondrana ny fifampiresahana. Tokony hatao daholo ny zavatra nolazaian hatramin’izay : sit-in na fitokonana manoloana ny masoivoho frantsay isan-kerinadro ary tokony Malagasy maro no mivondrona eny. Mila manamafy ny dipalomasia ambadika ka manao antso avo amin’ireo ireo vondrona iraisam-pirenena toa an’ny SADC, COMESA,… Azo atao ihany koa no miresaka amin’ny « Conseil de sécurité permanent » izay namantsika. Hamafisina rahateo ny fifandraisana amin’i Sina, Rosia ary ny Britanika. Marihana fa ity farany ity dia niala tsy ho mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ka tsy misy hifandraisany amin’i Frantsa intsony. Andrasana ny tohiny amin’ny 20 desambra izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.