Mampanahy sy tsy ananan’ny maro fanantenana ny hisian’ny fifidianana mangarahara eto amintsika amin’ny taona 2018.
Nisy ny fakan-kevitra sy tafatafa fohy nifanaovana tamin-dRadanoara Julien, Mpahay fifandraisana iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana (TT) : Azo antoka ve ny fangaraharan’ny fifidianana hoavy raha ny fahitanao azy ?
Radanoara Julien (RJ) : Tsy azo antoka aloha ny fifidianana hatreto noho ny antony maro. Raha eo amin’ny lalàna fotsiny, ohatra, tsy azo atao ao anatin’ny andro fahavaratra saingy tsy voahaja izany. Ny lisi-pifidianana dia mbola miteraka adihevitra lehibe, izay tokony hofaranana tanteraka rehefa tapitra ny fe-potoana nomena.
TT : Ahoana ny fahitanao ny momba ny hoe fahaleovantenan’ny CENI ?
RJ : Mampanahy satria mbola misy olon’ny fitondrana ao ary mety hanana tombony ny kandidam-panjakana. Tsara sy mety kokoa raha ny firaisamonim-pirenena sy ireo herivelona, toy ny mpampianatra mpikaroka, mpitsara, mpisolovava … no mandrafitra io vaomiera io.
TT : Mandeha ny resaka fa efa vita kajy ny fifidianana ary efa fantatra ny ho lany fa fombafomba sisa ny latsa-bato ka izay manam-bola sy tohanan’ny vahiny ihany no lany. Manana tombondahiny hatrany ihany koa ny kandidam-panjakana. Ny hevitrao ?
RJ : Tsy tokony hampiasa vola amin’ny fifidianana fa adihevitra amin’ny haino aman-jery no hatao. Tsy hitovy mihitsy ny herijikan’ny kandida satria raha mety manana angidim-by ny sasany, ny hafa bisikileta no mba ananany kanefa manan-kevitra. Raha ho any Antsiranana, ohatra, dia efa tapitra ny propagandy vao ho tonga any ny hafa. Tsy tokony hisy hanokanana zavatra ihany koa enim-bolana mialoha ny fifidianana satria izay no fanaon’ny mpitondra.
TT : Inona izany ny vahaolana manoloana ny mety ho fanodinkodinana ny voka-pifidianana sy hahalalan’ny rehetra ny tena zava-misy ?
RJ : Raha tena misy ny finiavana dia hamoraina ny fahazoan’ny olon-drehetra manerana an’i Madagasikara vaovao mitovy amin’ny fotoana mitovy, amin’ny alalan’ny fizarana “radio manivelle”, ohatra. Amin’izao mantsy dia azo lalaovina ny vaovao, ka hafa ny any ambanivohitra ary hafa ny ren’ny renivohitra, ary azo lalaovina tahaka izany ihany koa ny voka-pifidianana.
TT : Sao dia mba mety ho fialana bala ho an’ireo kandida sokajiana ho malemy sy tsy manam-bola ilay hoe ferana ny fampiasam-bola mirarakompana na tsy hasiana resa-bola mihitsy ?
RJ : Maro ny manan-kevitra sy tena vonona hampandroso ny firenena, saingy sakana hatrany ny paikady maloto ataon’ny hafa amin’ny fampiasam-bola mihoapampana sy ny mety ho fividianana ny safidim-bahoaka amin’ny endriny maro. Aleo hampitoviana ny rehetra satria maro ny tia tanindrazana, saingy sakana hatrany ny ara-bola, ka tsy afa-mirotsaka na tsy hanana herijika ho lany akory.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.