Mety efa tafiditra ao anatin’ny tetika hanilihana tsikelikely, an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny fampihaonana azy ireo any Seychelles ka hanerena ny andaniny sy ny ankilany hahita marimaritra iraisana, hoy Radanoara Julien, manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Aminy dia ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no efa mety manao io tetika io, ary mazava ho azy fa ao ambadik’izay i Frantsa. Entiny hanaporofoana izany ny filazan’ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI) ny amin’ny hoe : sady tsy Ravalomanana, no tsy Rajoelina... Resaka efa nivoaka tao anatin’ny herintaona tokoa ny hoe samy tsy ho kandida amin’ny fifidianana ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, saingy toa samy nampiseho ny fahavononany ho kandida ihany anefa ny roa tonta. Araka ny filazan-dRadanoara Julien ihany dia mety ao anatin’io paikady io ny fampihaonana azy mianaka ireto, ka rehefa tsy hita ny marimaritra iraisana fa samy miziriziry amin’ny heviny izy ireo, dia samy hosazian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, araka ny fanambarana efa nataon’ny SADC mialoha ny fanombohan’ny dinika tany Seychelles, ka samy tsy hahazo hilatsaka hofidiana.
Ny Frantsay rahateo dia tsy hahita tombontsoa mihitsy amin’ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana satria raha voafidy tampoka eo ity farany dia tandidomin-doza indray ny tombotsoan’i Frantsa eto Madagasikara sy aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Momba ny filohan’ny tetezamita indray dia tsy voatery hoe tsy maintsy kandida izy amin’izay fifidianana manaraka eo, fa mbola afaka miandry satria mbola tanora, hoy ihany Atoa Radanoara Julien. Aminy dia efa nahita kandida hafa ny frantsay ka izay no tsy maharototra azy intsony na tsy mandray anjara amin’ny fifidianana aza i Andry Nirina Rajoelina. Farany, dia nanamarika ity manampahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ity, fa ny fifanarahana politika no misy lanjany kokoa, noho ny lalàmpanorenana rehefa mandalo krizy tahaka izao ny firenena. Azo antoka, hoy ihany izy fa tsy maintsy hanova lalàmpanorenana izay filoha voafidy manaraka eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.