Radanoara Julien

> Mizara telo ny mpifidy


  • Alarobia 28 Aogositra 2013

Tsy maintsy misy fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity rehefa izay no hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena na tsy tena mitovy hevitra tanteraka aza izy ireo, hoy Radanoara Julien, mpampianatra momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Mba hahitana farafaharatsiny ny herin’ny antoko politika eto amintsika dia ilaina ny fandraisana anjaran’ireo firehana rehetra hialana amin’ny fanilikilihana, hoy ny tenany.

Momba ny fahavononan’ny olom-pirenena Malagasy hiroso any amin’ny latsa-bato indray dia azo sokajiana telo izy ireo. Eo ireo dodona mba hialana amin’ny krizy lavareny, ao koa ireo tsy miraika firy fa miandrandra ny tena fihavanana Malagasy mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana ary ao ireo izay maniry hatrany ny hanalavana ny fitantanana tetezamita. Ho an’ity mpampianatra manampahaizana momba ny serasera iraisam-pirenena ity dia misy singa iray lehibe tokony homena lanja manokana raha hiresaka demokrasia isika dia ny fahafahan’ny daholobe mahazo ireo vaovao rehetra mikasika ny fiainam-pirenena. Raha ny zava-misy sy azo tsapain-tanana mantsy dia tsy mitovy mihitsy ny fahazoam-baovao manerana an’i Madagasikara. Ireo mponina an-tanàn-dehibe izay vitsy an’isa no ampy ny sehatra fampahalalam-baovao fa ireo vahoaka maro an’isa miaina any amin’ny tontolo ambanivohitra dia tsy zara raha mahafantatra ny fizotran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena.

Eo indrindra no mahatonga an-dRadanoara Julien milaza fa matoa nisy foana ny fanonganam-panjakana teto amintsika dia noho io tranga iray io. Raha hazavaina tsotsotra dia tsy mitovy ny fahamatoran’ny mpifidy an-drenivohitra sy ireo any ambanivolo rehetra any. Midika izany fa ireo izay kandidà na antoko izay nahazo vato betsaka ivelan’ireo renivohi-paritany hatrany no lany tamin’ireo fifidianana nifandimby notanterahana teto Madagasikara satria iny olona na antoko politika iny no nahavita nizarazara sy nanome kely nandritra ny fampielezan-kevitra. Ekena fa nandresy teo anivon’ireo tanàn-dehibe ohatra ny mpifaninana iray fa rehefa miaraka amin’ireo vokatra hafa manerana ny Nosy dia kely ny isan’ny vato azony. Fehiny dia diso hatrany ny valin’ny voka-pifidianana satria tsy mety mifanaraka mihitsy ny safidin’ireo tontolo roa ireo hany ka misy foana ny firotsahana an-dalambe ataon’ny mponina an-drenivohitra.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT