Amin’ny maha manampahaizana manokana azy momba ny fifandraisana iraisam-pirenena dia manana ny fomba fijeriny ilay fihaonana eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, Atoa Radanoara Julien.
Miahiahy izy fa sao dia fombafomba fotsiny ihany io fihaonana io, fa efa mihevitry ny hanilika tanteraka an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena. Mety ho sarotra ny hivoahan’ny marimaritra iraisana amin’io fihaonana io, raha ny fahitan-dRadanoara Julien azy satria efa samy manana ny foto-kevitra ijoroany ny andaniny sy ny ankilany. Ny atahorana aza dia tena resaky ny moana sy marenina mihitsy no hitranga, hoy ihany izy nanohy ny fanazavany. Araka ny fandinihan’ity manampahaizana ity ihany koa dia mety efa mikaroka ny fomba rehetra hanilihana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena, ka tanjona ny tsy hahafahan’izy ireo milatsaka hofidiana.
Mety anisan’ny manohana io hevitra io i Frantsa, hoy izy, aleo mamoy an’i Andry Rajoelina mba tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana milatsaka hofidiana. Dia mody ambara fotsiny avy eo fa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia mangataka azy roa tonta ireo ny sehatra iraisam-pirenena mba tsy ho kandida, fa kosa hifanome tanana amin’ny fitantanana ny tetezamita. Nanamarika Radanoara Julien fa olon’ny Frantsay ny ankamaroan’ireo efa mieritreritra ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto. Manan-tsafidy tsara noho izany i Frantsa fa tsy voatery hanohana an’i Andry Rajoelina. Mahafantatra tsara ny Frantsay, hoy Radanoara Julien fa raha kandida ka voafidy ho filoha eo i Marc Ravalomanana dia ho foana ny tombontsoan’izy ireo, eto Madagasikara. Koa dia aleony misoroka, toy izay mitsabo.
Momba ny nahavoafidy an-dRtoa Ndlamini Zuma ho filohan’ny Vaomiera Afrikanina kosa dia milaza Radanoara Julien, fa mety efa nisy fifanarahana teo amin’i Frantsa sy Afrika Atsimo tany ambadimbadika tany. Ilay Gabôney Jean Ping, filoha teo aloha mantsy dia mazava be fa notohanan’ny frantsay sy ireo firenena afrikanina zanataniny fahiny. Ka tsy ho kisendrasendra mihitsy ny tsy nahavoafidy azy, farany tany Addis Abeba. Ho an-dRadanoara Julien dia misy dikany ny fitsidihan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Alain Juppé tany Afrika Atsimo, volana vitsivitsy lasa izay sy ny fihaonan’i Nicolas Sarkozy sy Jacob Zuma tany Paris. Nanamarika ity manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ity fa manam-paniriana ny ho mpikambana maharitra ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana i Afrika Atsimo, ary afaka manohana azy amin’izany i Frantsa ka izay no mety mahatonga ny fifanarahana miafina any ambadimbadika any eo amin’ny roa tonta. Raha tsorina ny resaka dia mety miray feo ihany i Frantsa sy Afrika Atsimo amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara na dia mody samy hafa famindra aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.