Tena hanaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny firotsahan’ireo olona voasazy amin’ny fifidianana filoham-pirenena, araka ny nambaran-dRadanoara Julien, manampahaizana manokana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Ireo olona tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo 109 voasazin’ny Filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminana (CPS) ao amin’ny Vondrona Afrikanina moa no tiany hambara eto, anisan’izany Andriamatoa isany Hajo Andrianainarivelo, Rasolosoa Dolin, Camille Vital, Roland Ratsiraka, Razafimanazato Julien … Izany hoe ireo mpanao politika nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony ary ekipa voalohany nitondra ny tetezamita tsy refesi-mandidy teto nanomboka tamin’ny martsa 2009 ka hatramin’ny nanasoniavana ny tondrozotra ny 17 septambra 2011. Manala baraka tanteraka antsika izany, hoy Radanoara Julien, satria olona voasazy ve izany no mihevitra fa mendrika sy mahafeno ny fepetra hitantana an’ity Madagasikara ity ? Isika eto an-toerana no mety tsy taitra firy amin’io sazy navoakan’ny CPS io, fa manan-danja lehibe kosa anefa izany eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, hoy ihany ny fanazavany. Tsy misomonga amin’io mihitsy ny any ivelany, fa rehefa voasazy dia tsy azo iaraha-miasa sy tsy azo itokisana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.