Nahavita ny fianianany omaly tolakandro teny amin’ny fitsarana tampony Anosy ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain.
Nanome toky ny tenany fa hiasa am-pahamendrehana ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soatoavina sy ny tsiambaratelon’ny asa. Mila miroso haingana isika, hoy ity jeneraly misotro ronona avy amin’ny andiany faha-3 navoakan’ny akademia miaramila Antsirabe ity. Izany no atao, araka ny filazany dia ny mba hanafaingana ny famoahana ireo tokony hahazo famotsoran-keloka mba tsy ho sakana ho an’ireo kandida mety handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Ka asa irosoana manaraka, avy hatrany ny fandrafetana ny biraon’ny FFM izay ahitana floha lefitra enina sy mpampiakateny roa, aorian’izay dia miroso amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo nangataka famotsoran-keloka sy hametraka paikady hitondrana ny fampihavanam-pirenena.
Tomefy olo-manankaja sivily sy miaramila, mpitondra fanjakana, mpanao politika, solontenan’ny firaisamonim-pirenena, ary masoivoho vahiny teny amin’ny fitsarana tampony Anosy , omaly, nandritra ny fianianan’ny filohan’ny FFM, anisan’izany ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Voamarika manokana ny fahatongavan’ny pastera Richard Andriamanjato izay efa elaela ihany tsy niseho vahoaka. Raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy dia notsipihany fa tena mila fifandeferana be ny fampihavanana ary mila manaiky isika Malagasy fa iray ihany, hoy izy ka tokony hahay hifampiresaka sy hifandamina. Maro ny zavatra tsy nety teto, hoy ny pastera Richard Andriamanjato ka fotoana tokony hanovàna sy hanasitranana ny firenena amin’izay izao.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.