Tsy hampiasa ny Coliseum amin’ny 20 oktobra araka ny anjarany voatondron’ny CENI-T tamin’ny antsapaka natao niarahana tamin’ireo kandidŕ namany Atoa Rabetsaroana Sylvain sy ny mpomba azy satria mifanindry amin’ny hetsika hataon’ny Eglizy katôlika ao amin’io toerana io ny daty voatondro.
Tena mahatalanjona sy mampisalasala be ihany ny fomba fandaminan’ny CENI-T ny raharaham-pifidianana raha ity tranga ity, hoy ny kandidàn’ny PNJ-MAZAVA, satria tokony ho fantatr’izy ireo fa efa voafandrika hatramin’ny volana martsa io toerana io. Olon’ny finoana ny tenako ary tia tanindrazana ka avelako ho an’ny mpino katôlika ny toerana, hoy izy. Mitompo teny fantatra ny CENI-T mpikarakara, hoy ity kandidà ity, fa mizotra tsara amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fampielezan-kevitra ankehitriny, ny tena zava-misy anefa ary tena mahamenatra fa avoakan’ny vahiny any amin’ny fampahalalam-baovao any ivelany any dia hitrangan-javatra tsy milamina be dia be eto amintsika ao anatin’izao fanatanterahana ny fididianana ho filoham-pirenena izao. Ampahany amin’ireny ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any atsimon’ny Nosy. Mbola raharaha hafa mahamenatra sy mampieritreritra fatratra koa ny amin’ireo volabe mitentina 450 miliara nanjavona. Tena mivezivezy be eto amintsika ny vola maloto, hoy Atoa Rabetsaroana Sylvain koa “mitaky fomba fiasa mazava eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay nanery ny fanaovana an’ity fifidianana ity izahay PNJ-MAZAVA”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.