Rabetsaroana Sylvain

> Manahy ny ho fivadiky ny tantara


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Mampihomehy no sady sadasada ny fanomanana ny fifidianana eto amintsika, hoy ny kandidà Rabetsaroana Sylvain satria toy ny kitoatoa izany. Nandalo tao Antsirabe ny tenany ny faran’ny herinandro teo ary nilaza fa isika Malagasy ve dia tsy mahalala ny rariny sy hitsiny intsony mihitsy ?

Efa nihena ny isan’ny kandidà nefa dia mbola ny laharana taloha ihany no tazonina ary mahagaga fa izahay kandidà mihitsy no miziriziry tsy hanova izany intsony, tsy nety nanao antsapaka intsony fa efa nanamboatra “t-shirt” fampielezan-kevitra sy ny fampahafantarana azy, hono, ny sasany. Dia kandidà 33 izany izao no misy nefa ny laharana hatrany amin’ny 41. «Izany ve tsy mampihomehy ?”, hoy izy. Nohamafisiny fa izay no tsy mampandeha ny raharaham-pirenena eto Madagasikara satria dia mifanaraka amin’ny ratsy ny mpanao politika malagasy. Mikasika ny vondrona iraisam-pirenena dia lalina loatra ny fitsabahan’izy ireo amin’ny raharahan’ny Malagasy hiarovana tombontsoan’olona na firenena eto. Tsara ho fantatry ny Malagasy, hoy Rabetsaroana Sylvain, fa misy firenena iray manana orinasa 3 200 eto Madagasikara, misy olona manangana trano goavam-be eto izay tsy tongatonga ho azy izany.

Aza adinoina koa fa toerana stratejika i Madagasikara ka izay no mahatonga ny mpanelanelana hampiasain’ny sasany ho amin’ny tombontsoany. Tadidio fa tsy misy fifandraisana tsotra izany eto fa resaka tombontsoa no betsaka, hoy izy. Mikasika ny fifidianana indray dia nambaran-dRabetsaroana Sylvain fa mbola tsy fantatra izay zavatra mety hitranga eto Madagasikara na dia vita aza ny iraky ny SADC. Izay mahametimety ny mpitondra mantsy izao no atao eto satria efa tany tsy misy lalàna. Voalazan’ny lalàm-pifidianana fa tsy azo atao ny fifidianana amin’ny vanim-potoanan’ny orana kanefa izao dia lasa azo atao indray. Milaza Rabetsaroana Sylvain fa dia hiompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny tanora ny zavatra ataony satria izy ireo no tena lasibatra tato anatin’izao krizy izao fa tsy misy atao ka mirenireny sy midonàka fotsiny ny betsaka na dia nahavita fianarana sy manampahaizana aza.

 

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT