“Tsy nisy ny antsapaka vaovao ho anay kandidà 33 tavela na dia izay aza no nandrasana teto amin’ity biraon’ny CENI-T ity androany zoma 23 aogositra”, hoy ny kandidà Rabetsaroana Sylvain avy amin’ny PNJ-Mazava, fa ny laharana fony mbola kandidà 41 ihany no natao tenierana fa hotazonina.
Tsy dia lôjika loatra ilay izy nefa izay no tapaka. Tena hafahafa ny lisitra ho hita amin’ny bileta tokana ho avy eo, nefa dia nekena noho io marimaritra iraisana io. Ho anay aloha, hoy ny kandida Rabetsaroana Sylvain, dia resaka fifidianana io ka efa ela izahay no niomana ary efa mba mahafantatra ny laharana faha-39 misy anay avokoa hatrany amin’ny tontolo ambanivolo alavitra efa nandalovana any, koa manahirana ny mbola hanovana an’io. Misy kandidà vaovao moa hoe : nisolo toeran’olona roa, dia teo no nisy adihevitra kely fa laharana faha-3 sy laharana faha-21 no nisy ireo hosoloina ka nisy ny nametraka fepetra hoe : tokony hanao antsapaka izy dia mba mitovy amin’ny rehetra amin’izay, nefa izy moa dia tsy nanisy olana fa manaiky izay laharana atolotra azy nefa dia nangataka koa ny hifidy malalaka izay tiana ka samy nanaiky teo ny rehetra.
Ny tiana homarihina dia hoe : raha ity resaka fifidianana ity dia amin’ny lafiny teknika ranofotsiny no andraikitry ny CENI-T, resaka lalàna mazava loatra ny an’ny CES ary raharaha politika no anjaran’ny SADC sy GIC-M. Ka hitantsika ireny zava-misy ireny fa nisy marimaritra iraisana goavana tao anatin’ireny fanapahan-kevitra navoaka ireny. Mahavariana ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity ! Dia hitantsika ireny nahazo ny kandidà sasantsasany nailika ireny. Inona moa no hadisoana nataon’izany kandidà Lalao Ravalomanana izany ? Izany kandidà Emma Rasolovoahangy ary koa izany Dr Jules Etienne izany ? Mahagaga ny nanalana azy ireo tao anaty lisitra ary mahavariana ny nitazonana an’ireo kandidà namana lasa hafahafa ihany hitam-poko hitam-pirenena. Enga anie, hoy ny kandidà Rabetsaroana Sylvain, ka ho vita sy ho tafita araka izay hieritreretana azy ity fifidianana ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.