Politique

Rabetsara Lita sy Rafanomezantsoa J. Nirina “Ho lafo ambongadiny i Madagasikara”


  • Zoma 03 Mey 2013

Rafitra natao hamoretana ny Malagasy no misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa tarihan’Atoa Rabetsara Lita sy ny mpiaro ny zon’olombelona tarihan’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina.

 Zara harena tsy mitovy noho ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika no misy eto, hoy izy ireo. Rafitra mampahantra ny tompon-tany fa mampanankarena kosa ny vahiny toy ny Sinoa sy Karana. Izay sahy nijoro niezaka namerina ny Fokonolona teto, hoy ny fanampim-panazavana, dia niharan’ny famonoana ho faty avokoa. Mampanontany tena anay, hoy izy mirahalahy ireto, hoe avy aiza marina ireo volabe ampiasain’ireo nirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena ireo ? Ny fahafantaranay azy, hoy izy ireo, dia “vodiondrim-barotra hivarotana an’i Madagasikara indray izany ka nahatonga anay hilaza fa ho lafo ambongadiny ity Madagasiakara ity atsy ho atsy sady teto rahateo tsy mbola nisy izany fahaleovantena marina izany”.

Miantso ny fiarahamonim-pirenena hijoro hanohana ny fampihavanana ataon’ny FFKM izahay, hoy Rabetsara Lita sy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Aleo ny Fokonolona no handray andraikitra amin’ny fifidianana hatomboka ao aminy. Nomarihan’izy ireo koa fa tato anatin’ity tetezamita ity no nisy ady tany be indrindra nandritra izay fitondrana rehetra nifandimby izay, nisian’ny fandravana trano, tanànan’olona be indrindra koa, eny hatramin’ny fasana aza, izay niteraka olona ara-tsosialy tsy hita noanoa ary nisian’ny fanagadrana mpanao gazety be indrindra koa, fa andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety anio 3 mey. Mbola tato anatin’ity tetezamita ity no nampirongatra ny fanondranana boaderozy tsy ara-dalàna sy fanondranana volamena sy vatosoa an-tsokosoko, ka tsy ho lafo ambongadiny tokoa àry ve, hoy ianao, ity Madagasikara ity noho izany rehetra izany ?

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT