Politique

Rabesaiky Guillaume Ny olona tsy tokony hanao politika no manakorontana eto


  • Zoma 20 Janoary 2012

Mpanakanto, filohan’ny tarika Ny Ainga, sady mpanao politika (CT avy amin’ny antoko AVI) Rabesaika Guillaume na Om-gui.

 Izao firenentsika efa telo taona anaty krizy izao dia isika Malagasy no tsy mahay mifandamina, hoy izy. Ho an’ny vahoaka, aza haratsiana loatra ny mpanao politika fa amin’izao krizy izao ny mpanao politika dia efa mahay mivondrona, efa fiaraha-mitantana izao ary efa zava-dehibe ny nanasoniavana ny tondrozotra. Efa misy ny fifanomezan-tanana hatrany amin’ny governemanta sy andrim-panjakana mpanao lalàna. Fa ny zavatra tena manakorontana amin’izao dia ilay olona tsy tokony hanao politika, ilay mpiasam-panjakana any aminy tsy tokony hanao politika no voahodina ara-politika amin’ny asa ataony. Ka tsy krizin’ny mpanao politika no misy fa krizy novolen’ny avy any ivelany tsy tokony hanao izany.

Mikasika ny mpanakanto dia zavatra tsy mbola nisy hatramin’izay ny fanasana ny mpanakanto teny Iavoloha afa-tsy ireo handrotsirotsy ny nasaina raha tsy tamin’ity 2012 ity ka zava-dehibe ireny. Amiko ny mpanakanto dia mpikaroka ihany koa, tokony harovana io ary izay ny ahy no ahafantarako ny fanjakana iray hoe tan-dalàna : rehefa tsy misy intsony ireny asan’ny mpanao piraty amin’ny artista. Ohatra velona ho an’ny mpiasam-panjakana ambony manao fikarohana no asehonay fa izahay na mpikaroka koa aza dia tsy mba afaka migrevy. Asehonay amin’ny vahoaka fa tsy kanto ny migrevy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT