Politique

Rabenirina Jean Jacques Mangalatra “départ” ?


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Nanao bemidina tany Betioky Atsimo, distrika fiaviany, tany ny minisitry ny fampianarana Rabenirina Jean Jacques ny herinandro lasa iny.

 Nanamarika ny diany tamin’io ny fizarana fitaovana, izay fitaovam-pamokarana ny ankamaroany ho an’ireo Kaominina vitsivitsy ao anatin’ity distrika ity. Samy notolorany angadinomby 200 isa avy ny Kaominina Betioky Atsimo, Ambatry ary Lazarivo, raha 150 isa kosa ho an’ny Kaominina Soamanonga. Niampy «mégaphone» iray isaky ny Kaominina io, ankoatra ny baolina roa sy «jeux de maillots» ho an’ny mpanao fanatanjahantena isaky ny Kaominina. Ankoatra ireo dia notolorany milina fanoratana miisa 10 ny Kaominina Lazarivo.

Niampy “kubota” iray, vata fahitalavitra iray, moto telo ho an’ny zandary ary roa ho an’ny Kaominina ny anjaran’i Betioky Atsimo. Nahazo “kubota” iray ihany koa ny Kaominina Ambatry, ankoatra ny moto roa ho an’ny zandary ao Tongobory. Raha ny fahitana azy dia tsy dia mahakasika loatra ny departemanta tantanany ny fanomezana natolotra, ka mahatonga ny maro ho vaky vava hoe manomana fifidianana ingahy minisitra, izy rahateo olon’ny antoko politika AVI. Efa minisitry ny asa sy lalàna sosialy avy eo minisitry ny fizahantany sy ny kolontsaina i Jean Jacques Rabenirina tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana fa tsy nanao toy izao, hoy ny any an-toerana, ka mety efa mangalatra “départ”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT